Mba hatraiza moa ry dada...
Mba hatraiza
moa, ry Dada, ny fitiavako anao,
Ny halalin’ny finoako ny hakadirin’ny herinao ?
Ny tsangananao mitory izay herim-piniavana,
Ny fijerinao mitsilo... toy ny jirom-pitiavana !
Tiako ianao... toa fitia taratr’andro an-kamory,
Ka mandrendrika ny foko tsy hanahy, ho reno-tory.
Tiako ianao … toa fitia ny lalàna ankiray
Hamelomako ilay Afo mba hiredareda indray!
Tiako ianao, ankamam ( . . . )
Benaivo - 2021-05-02 03:39:11
Tohiny