Misy ireo toetra heverin’ny Ntaolo fa tena
tokony ahitsy mihitsy any anatin’ny fiaraha-monina any. Anisan’izany ity ambaran’ny
ohabolana ity.
“Matin-kena-maso, ka mihinam-barim-boka”.
Toetra faha-enina ijoroan’ny firaisankina
sy ny fihavanana
napetrak’Andrianampoinimerina ny tsy
fisian’ny henatra sy ny tsy fisorohana raha tohatra ny sarotra. Ny
matinkenamaso ka manaiky izay haroson’ny olona na mamaoafady ny tena aza dia mahavery hasina ny olona
anankiray. Ny fifandrindrana tsy midika velively fa fanekena tsy misy fepetra
ny ataon’ny mpiarabelona na ratsy na tsara. Ny olombanona tokoa tsy menatra ary
tsy misorona manoloana ny sarotra. Sarotra ny mandà sakafo aroson’ny olona ny
tena saingy raha hitondra loza toy ny aretina ohatra, tsy maintsy mandà izany.
“Matim-pitia toa lalitra ka mitsoboka
alohan ny sotro”
Sarotra toy izany koa ny manitsy ireo tia
mitsabatsabaka amin’ny sakafo, toy ny fanahin’ny lalitra ohatra, saingy raha
tsy te ho voavetaveta, tokony hijoro ka tsy hanaiky izany.
Tsy mampirindra ny fiaraha-monina ny
fanarahana ambokony. Ny olona manaraka ambokony manko karazan’ny tia tena
ihany, tsy te ho voatohitohina mivantana ka raha mbola tsy mahavoa azy ny ratsy
na ny tsy mety ataon’ny fiaraha-monina dia mangina tsy miteny izy. Toetra
fahaefatra ijoroan’ny fihavanana sy ny firaisankina koa anefa ny tokony tsy
isian’ny fitiavantena satria anisan’ny mampikorontana ny fiarahamonina.
“Rafotsibe miandry ombilahy ka manaraka
ambokony”
Tokony tsy ho gaga isika mianakavy raha
mikorontana tanteraka ny fiaraha-monina misy antsika ankehitrio satria dia tena
saika ny ankamaroan’ny olona no manao toy ireo toetra voalaza etsy ambony ireo.
Mety ao ny tsy nahazoana fanabeazana fa eo indrindra indrindra koa ny fanariana
ny soatoavina ka nanjary tsy nahafantatra intsony ny zava-pady amin’ny samy
Malagasy. Raha fomba vahiny toy ny hoe “tsy mandefa rivotra imasom-bahoaka”,
“tsy mandrezatra” no tsy voahaja dia tena mahamenatra antsika, nefa ireny aza mety
ho tsy nahy sy mitondra fahasalamana ny fivoahany, fa ny mety haningotra ny
aina indray (satria manakorontana ny fiaraha-monina) no adino ny manaja azy.
Tonga amin’ilay hoe:
“Malaza ho be raharaha nefa ny voly vary indray no tsy vita”.
Nalaina tamin'ny fandaharana "Meteza ho olom-pirenena vanona" (RAMASINIRINA)