Anisan’ny biby nanoharan’ny Ntaolo ny toetra ratsin-draolombelona ny Foza sy ny Alika ka tokony tsy ho tahafina mihitsy.
MPIHENAHENA
Ny olombelona tsy marintoetra ohatra dia nokianin’ny fiaraha-monina nisy azy ary ny Foza no noraisiny ohatra tamin’izany ao anatin’ity ohabolana manaraka ity.
“Aza manao foza kely anaty lavaka , alorina tsy azo, topazan-drano tsy mety mivoaka fa ao anaty lavaka ao ihany no manigainga tanana.”
MIKAMBAN-DRATSY
Misy fiarahana mampisalsala sy tsy azo antoka rehefa tsy mitondra vokatsoa ho an’ ny fiaraha-monina. Matetika tokoa manko, eny anivon’ny fiaraha-monina eny misy antokon’olona na andian’olona mifanaraka mandrakariva, miray hevitra ary mifampitaona mihitsy hanorin-javatra. Tsikaritry ny Ntaolo fa misy amin’izy ireny no mitovy amin’ny amboa ka noràrany ny manam-panahy tsy hanao to azy ireny :
“Aza maro tsy mahavita n’inon’inona toy ny karazan’amboa, zatolahy tsy midina ankosy, arivovavy tsy mitam-bodiketsa.”
Voamarika fa tsy ny fahamaroan’ireo
miaradia no inona fa ny fahaiza-manao sy ny traikefa ananana. Ao anatin’ny
fiaraha-monina araka izabny, na misy olona milaza azy hanao zavatra aza, ary na
marobe toy inona aza, dia mitovy amin’ireto andiam-biby ireto ihany fa tsy
ahefa inona tsy akory. Ny mihosy sy manetsa ohatra, ankoatra ny olombelona, dia
ny omby ihany no ampiasaina aminy fa mbola tsy nisy alika nampiandraiketina
izany raharaha izany. Ahitana fanehoana fahasamponana koa ity ohabolana ity.
Azo oharina amin’ny ”sampona” ny olona mikambakambam-poana tsy mahavita n’inon’inona.
TSY MAHATAM-BAVA
Ny alika no voatondro fa manao ireo toetra ireo. Hoy indrindra ny ohabolana hoe:
“Mitondra teny mivoaka toy ny amboa voakapoka”.
Sarisary hita amin’ny fiainana
andavan’andro io. Ny alika tokoa rehefa kapohina no sady roahin’ny olombelona
mivoaka ny trano dia mitabataba tsy ifandrenesana. Ny olona mpamoaka ny
tsiambaratelo aboraka aminy no tondroin’ny olona amin’io ohabolana io matetika.