sary rfim

Ny taona 1986 no nivoaka voalohany ny Gazety Boky “La lettre Mensuelle de JURECO (LMJ)”, mpanao fanadihadiana momba ny toe-karena, ny lalana ary ny fiaraha-monina. Nosoratana tamin’ny teny Frantsay ny LMJ. Ny volana Novambra 1993 no nisafidy hamoaka gazety amin’ny teny Malagasy ny “Groupe JURECO”, ka nivoaka tamin’io volana Novambra io ny “Gazety Feon’ny Merina”. Ny fototra nijoroan’ny gazety Feon’ny Merina dia ny hanohy ny fanazavan-kevitra nataon’ny LMJ, ary ambonin’izany dia nifantoka tamin’ny fampahafantarana sy fikolokoloana ireo soatoavina nampiavaka ny eto Imerina. Tao anatin’ny fanajana tanteraka ny firaisam-pirenena sy ny fomba nampiavaka ny hafa no nanaovana izany.

Tsapa anefa fa tsy ampy ny fampitana ny hevitra raha gazety an-tsoratra fotsiny, ka dia niroso tamin’ny fananganana ny Radio, satria ilaina ny feo. Pierre Ranjeva, Mboara Andrianarimanana, Gererd Rakotonirina ary Harilala Andrianarimanana no namolavola ny drafitra tany am-piandohana. Ny taona 1994 no natao ny fangatahana fa hanangana Radio, ka Analamanga FM no atao anarany, saingy tsy mbola vonona ny fitaovana na dia efa eo am- pelatanana aza ny taratasy fahazoan-dalana. Ny taona 1996 dia nisy onjam-peo hafa naka ny anarana “Analamanga”, ka dia tapaka ny hevitra fa atao mitovy amin’ny Gazety no anaran’ilay onjam-peo. Araky ny soso-kevitry Mboara Andrianarimanana, dia RADIO FEON’IMERINA no nosafidiana (fa tsy hoe Feon’ny Merina toy ilay gazety), noho ny firaketam-po amin’ny atao hoe « citoyenneté de residence » : olom-pirenena feno ao anatin’ny faritra izay honenany ny Malagasy rehetra, na avy aiza na avy aiza fiaviany, fa tokony hanaja kosa ny soatoavina amin’izany faritra onenany izany.

Ny Zoma 17 jolay 1998 no nanomboka ny andrana teknika voalohany.

Teny Ambohipotsy no niainga ny Radio Feon’Imerina tamin’ny 17 Jolay 1998 ka hatramin’ny Aogositra 2002. Ny taona 2002, dia nanapa-kevitra i Pierre Ranjeva fa hisotro ronono ka notsifiny rano ireo tanora handray ny fitantanana ny onjam-peo. Mboara Andrianarimanana izay anisan’ny mpanorina ny Feon’Imerina rahateo koa no nandray adidy ny fitantanana sady koa nampiantrano ny onjam-peo. Nifindra tao Ambatobevanja ny birao ny Aogositra 2002 ary ny Septambra 2002 no niainga avy tao Ambatobevanja ny feo. Niforona teto ny orinasa SCOPE-GFI (Societe de communication, de presse et d’edition-Groupe Feon’Imerina).

Feon’Imerina nanao lanja miakatra

Tamin’ny fiandohana dia fitaovana malefaka (émetteur) no niaingana, horonam-peo K7 sy Kapila manjelatra vitsivitsy no nampiasaina tamin’izany (1998-2002).

Nentina ny fampivoarana ka nahazo émetteur (Pascal), émetteur BFL mantajaka indray nampiasaina, ny horonam-peo sy kapila manjelatra nitombo noho ny fiaraha-miasa sy fanohanan’ireo mpanakanto maro izay nanolotra ireo ho an’ny onjam-peo.

Nanomboka ny taona 2003 teo Ambatobevanja dia niroso tamin’ny fanatsarana ny fitaovana toy ny solosaina, ny table, ny retour, ny fampidirana ny horonam-peo tao amin’ny solosaina Niroborobo ihany koa ny Fikambanan’ny Mpankafy ny onjam-peo, nisy ireo hetsika marobe niarahany tamin’ny onjam-peo entina hanohanana ny onjam-peo ary indrindra koa entina hampahafantarana sy hamelomamaso ny kolontsaina eto Merina. Teo ohatra ny tsidi- bohitra, ny fampisehoana Kalon’ny Fahiny, ny fiaraha-misakafo. Ny taona 2006 dia nanolotra “table” ho an’ny onjam-peo ny Fikambanan’ny Mpankafy ny onjam-peo.

Tamin’ny fahadimy taonan’ny Onjampeo (17 jolay 2003), dia notovanana ny andianteny hoe “Harena ny fahasamihafana” ny teny filamatra tany am-piandohana manao hoe “Tsy adidiko izaho irery fa adidiko izaho sy ianareo”, izay mifameno tsara.

Ny volana Aprily 2016, noho ny fivoarana izay tsy mitsahatra sy ny efa faharerahan’ny fitaovana misy eto amin’ny onjam-peo, dia nanapa-kevitra ny mpitanana fa hanokatra ny kapitaly. Natao ny fampitomboana ny herin’ny onjam-peo ka nividy émetteur matanjaka, solosaina sy fitaovana hafa entina hanatsarana ny feo mivoaka eto amin’ny onjam-peo.

Ny tanjona

Fampahafantarana sy fanandratana ary fiarovana ireo soatoavina nampiavaka ny eto Imerina, ao anatin’ny fanajana tanteraka ny firaisam-pirenena. Tsy tokony adinoina fa mialohan’ny maha renivohitry Madagasikara azy, dia faritany mitovy amin’ny faritany rehetra manerana ny nosy Antananarivo, ka manana ny zo sy ny andraikiny mitovy amin’ny rehetra.

Miompana amin’ny soatoavina eto Imerina ny fandaharana vokarina toy ny tantara sy vakoka, fomba amam-panao, haisoratra, ny mikasika ny teatra, ny literatiora, ny angano sy ny sisa. Tsy adino ny resaka toe-karena mampivoatra ny olombelona, ny fiaraha-monina ary ny tanana.

Toy ny onjam-peo rehetra dia manaja ireto tigetra telo ireto ny onjampeo : fampahalalam- baovao, fanabeazana ary fampialam-boly.

Foibe toerana misy ny Radio Feon'Imerina:

  • Société de Communication, de presse et d’edition-Groupe Feon’Imerina (SCOPE-GFI Sarl), Ambatobevanja, Antananarivo.
  • Laharana fifandraisana: +261341129938, +261320529938 na koa ny +261334529938.
  • Ny Facebook pejy ofisialy dia ny "Radio Feon’Imerina"

Ny anisan’ny mampiavaka ny RFIM 101.6 Mhz

Nanao fanamby ny hampiasa ny fiteny Malagasy zato isan-jato amin’ny fandaharana rehetra vokarina sy alefa eto amin’ny RFIM 101.6 Mhz. Hira Malagasy ranoray ihany koa no mandeha eto amin’ny onjam-peo. Ny dokam-barotra irery ihany no misy fiteny frantsay na anglisy.

Omena ampaham-potoana betsaka ireo hira tranainy; izany no natao dia mba tsy ahavery tadidy ireo vakoka efa misy: “Kalon’Imerina”(kalon’ny fahiny na hira teatraly) , “Hiran’ny omaly”, “Vako-drazana”, “hira-gasy”.

Hamafisina fa ny fandefasana ireo hira teo aloha dia mamporisika ireo mpanankanto ankehitriny hanome vokatra tsara ho lovan’ny taranaka aoriana.

Vaindohan-draharaha ny onjam-peo Feon’Imerina ihany koa ny mikaroka sy mitrandraka ireo sangan’asa tsy mbola any an-tsofin’ny mpihaino.

sary rfim

Ny teny filamatra ny Radio Feon`Imerina nandritra ny taona 1998-2002 dia ny hoe:

“Tsy adidiko izaho samirery, fa adidiko izaho sy ianareo.”

Misokatra amin’ny rehetra ny Feon’Imerina

Araka ny hafatry ny “Ombalahibemaso” nanao hoe “Tsy adidiko izaho irery fa adidiko izaho sy ianareo”, dia miara-miasa amin’ny rehetra ny RFIM 101.6 Mhz.

Manentana antsika rehetra, indrindra ny tanora, mba hanantevin-daharana ny “Fikambanan’ny Mpankafy ny Radio Feon’Imerina “

Miverina
footer-frame