Be ny zanantsika no tsy tamana intsony eto
an-tanindrazana
Indreo mifindra lasy manara-bolotany fa ny
eto hono ngazana
Aleony ihany koa mitady izay ho soa sy miremby an-tany hafa
Fa ny tany niaviany tototry ny atsanga tsy
ho zakan’ny kifafa
Izay nahita lalana hamaky habakabaka nibata
entan-kely
Ny tsy nanambola hatao sarandalana naketsy
Analakely
Farafaharatsiny mahita ny mamiratra sy
henim-boninahitra
Lasa olo-mandroso an-drenivohitra any
nitady ravinahitra
Ny tombotsoa “hono” amin’ny filefana ny
akany nibeazana
Dia ny nidifiana tamin’ny fahoriana fa
anisan’ny mpitazana
Afa- mitsikera sy manome tsiny raha misy
fahavoazana
Afa-mialangalana amin’ny andraikitra fa tsy
teo an-tanindrazana!
Dia indreo ny mailaka amin’ny serasera fa
tena totoafo
Malagasy inona no monina ao Dago, tsy
sasatra mandafo
Ny harena, tsy miaro kely akory ny
fiandrianam-pirenena
Olom-boahozona, tsy mahalala izay mba hiaro tena
Iry nifindra monina avy any ambanivohitra
io fa miala bala
Tsy mety mampandroso ny toera-nivantanany
fa izy mbola hiala
Ny tany izay nilaozany, efa nohadinoiny tsy
iraiketan’ity fony
“Citoyens
du monde” izay no tarigetrany sy apetrany ho ambony!
Dia io fa tena mihanjaka, tsy nisy mba
nisahana ny firenena manontolo
Iraika amby dimampolo taona niaina
fahafahana fa tena lasa bobongolo
Vahiny no manjaka, sinoa sy ny karana
mbamin’ny kaomoriana ary ny vazaha
Nibananaka teo ilay Madagasikara maro
mpahalala tsy nisy mpiraharaha
Efa nohadinoina ny hafatr’i Nampoina, fony
izy teo nitantana
Tandremo anie lehiretsy, hoy izy, tsy
mahazaka izato tanindrazana
Ka mitady tany hadiana tena mba malemy
hanorenana fangady
Handao ny firenena, hitsoaka ny adidy, tsy
vonona hiatrik’ady
Tsy marina àry ve ny fihevitry ny Ntaolo
izay nahatsinjo lavitra
Andrianampioinimerina efa nahalala mihitsy
ary niady varotra
Fa raha ilaozana ny tany, hitadiavana ny tombotsoan’ny
tena
Tsy maintsy hisaritaka sy ho
lasan’olon-kafa hatramin’ny firenena.
Misy zaratany efa mba napetrany ary
nodidiany ho maintisina molaly
Saingy izay nomeny nesorina ankeriny
tamin’ny fanjanahantany
Ireo taranaka nadimby izay mba nahalala ny
hasin’ny tany niaviana
Niolomay mihitsy niverina nividy ireo
zarataniny, nony taty aoriana
Fa nisy koa anefa no tonga dia nilefa
nandao ny tanindrazany
Tsy noho ny fianarana na ny fanendrena tsy
azo nanoharana
Fa tena fitadiavana tany izay malemy hiorenan’ny
fangadiny
Tsy anjarany hono manko no misahana irery
izato tanindrazana
Raha tonga ny fotoana mba hankalazana
fahaleovantena
Dia sadasada ihany ny fety sy lanonana
haroso sy ekena
Voalohany amin’izany ilay lazaina fa tena
hoe lafatra
Tsy azonao an-tsaina fa OPERA no natao niampatra
Ka fetim-pirenen’iza àry ity ankalazaina fa
mahavaka saina
Be ny olona no mandà ny hitotorebika sy
hananga-tsaina
Samy mahatsapa fa very tsy hita intsony ny
fiandrianam-pirenena
Samy mahalala fa very ny taranaka saingy dia
tena mahonena
Fa tsy misy sahy mijoro ho lehilahy hitaky
fahamarinana
Fa dia aleo ihany mitady izay hameno ny any
an-tsikinana…