NY FOLOALINDAHY MALAGASY

Tsy afa-misaraka amin’ny tantaran’ny fahaleovantena ny foloalindahy, satria andry iray maha firenena ny firenena ny fisiany. Voambolana efa nampiasaina hatramin’ny faha mpanjaka ny “Foloalindahy”, entina nilazana ny fivondronam-ben’ireo tafika maro, taorian’ny 1960 dia ny fitambaran’ny miaramila sy ny zandary no antsoina hoe “Foloalindahy Malagasy”.  

NY TAFIKA TAMIN’NY FAHA MPANJAKA

Efa hatramin’ny faha mpanjaka no nisy ny tafika, tamin’izany dia tena niantafika marina ny miaramila fa tsy nijanona ho mpiaro ny lapa sy ny tanàna fotsiny. Izay antony izay no nahatonga ny voambolana hoe : “Miaramila” satria miaramila fanjakana, miaramila harena, amin’ny mpanjaka. Tamin’izany vanim-potoana izany dia efa nisy ny manamboninahitra nifehy ny tafika. Ary tamin’ny fanjakan-dRanavalona II, dia nisy fifandonan’ny tafika Malagasy tamin’ny tafika Frantsay. Tsy azo adinoina ihany koa ny nitarihan-dRainandriamampandry ny tafika Malagasy tany Farafaty nanosehany ny tafika frantsay notarihin’ny Marechal Miot.

Ny 30 Septambra 1895 dia nifanandrina tamin’ny tafika Frantsay notarihin’ny Jeneraly Duchesne ny tafika Malagasy, saingy tsy nahatohitra noho ny fitaovana tsy mitovy ka voatery nanangana saina fotsy.  

TAMIN’NY FANJANAHAN-TANY

Taorian’ny naha protectorat ny fanjakana Malagasy dia nanomboka nisy teto ny tafika frantsay, izany hoe Malagasy ihany ny ankamaroan’ny miaramila saingy frantsay no mpifehy sady ny saina frantsay no nisalorana.

Nandritra ny fanjanahan-tany dia nahavita be ho an’ny tafika frantsay ny miaramila Malagasy satria nandray anjara tamin’ny ady lehibe anankiroa, 1914-1918 ny voalohany ary 1939-1945 ny faharoa. Ankoatr’ireo dia nisy ireo miaramila Malagasy nalefa niady tany Alzeria  sy Indosina. Tamin’ny raharaha 47, tsy dia nahatoky loatra ny miaramila Malagasy ny frantsay ka voatery nampiasa miaramila Sonegaly. 

TAMIN’NY 1960- 1972

Nanomboka tamin’ny 14 Oktobra 1958, taorian’ny fitsapan-kevi-bahoaka nampanaovin’ny frantsay, dia lasa Repoblika ao anatin’ny Firaisam-be frantsay I Madagasikara, Tsiranana Philibert no napetraka ho filoha. Rehefa fantatra fa omena fahaleovantena i Madagasikara ny 26 jona 1960 dia nisy ny fihaonan’ny filoha Tsiranana tamin’ireo manamboninahitra frantsay ny 13 Mey 1960, dia ny Général ‘Armée Garbay, (Inspecteur des troupes d’outre-mer, ny Médecin Inspecteur Lotle, Directeur de Service de Santé des Armées à Madagascar), ny Général Cathoulic Inspecteur de la Gendarmerie d’Outre-Mer. Talohan’io fihaonana io dia efa voasonia ny 01 Aprily 1960 tetsy amin’ny Lapan’ Andafiavaratra ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny frantsay sy malagasy ary tafiditra ao anatin’izany ny fiaraha-miasa ara-tafika.

Ny 26 Jona 1960 nanambarana ny « fahaleovantenan’i Madagasikara » no napetraka teo ambany fanevam-pirenena Malagasy : Fotsy, Mena, Maitso ny tafika Malagasy teny Mahamasina. Ireo manamboninahitra niasa teo amin’ny tafika frantsay no nifehy ny tafika Malagasy.

Ny Filohan’ny Repoblika no filoha ambonin’ny Foloalindahy ary najoro ny Etamazaoro manokana izay miankina tamin’ny fiadidiana ny Repoblika. Ny Kolonely Ramanantsoa Gabriel manamboninahitra ambony indrindra no notendrena ho lehiben’ny Etamazaoro. Izy no nifehy ny vondron-tafika 2 nisy dia ny 1er RIAM teto Antananarivo sy ny 2e RIAM tany Fianarantsoa sy Toliary. Nitombo miandalana ireo vondron-tafika samihafa.

1961 : nijoro ny “1er Escadrille Malagasy” na “1er ESCAMA” teo ambany fiahian’ny frantsay.

1962 : nafindra teo ambany fiahian’ny Malagasy ny “1er ESCAMA”, nahitana ny  tafika an’habakabaka

1962 : niforona ny “Ecole des cadres”, sekoly manofana manamboninahitra lefitra tao Antsirabe sy ny “Service Civique”, vondron-tafika izay mifototra amin’ny asa fampandrosoana, toy ny raharaham-pambolena, ady amin’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra, fanabeazana ho olom-pirenena.

1964 : Niforona ny “1er Régiment du Génie ». Teto Antananarivo no foibeny, ny fikojakojana làlana no asa sahaniny.

1965 : Nijoro ny “tafika an-dranomasina” tao Antsiranana, nanana sambo 3 sy miaramila maro.

Nijoro koa ny “Bataillon de Commandement et de service” izay niandraikitra ny fitantanana sy ny fifandraisana.

1972 : Nisy ny fihetsiketsehana niafara tamin’ny fandraisan’ny Jeneraly Ramanantsoa ny fitondrana.

Nanomboka teo dia nofoanana ny Etamazaoro manokana (Etat major Particulier) ary najoro ny Etamazaoron’ny fiarovam-pirenena sy ny Foloalindahy. Ny Jeneraly Ramarolahy Philibert no lehibeny.  

FANAVAOZANA TAMIN’NY REPOBLIKA FAHAROA

Talohan’ny nijoroan’ny Repoblika faharoa,dia nisy ny fanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa frantsay sy Malagasy. Nalefa nody ny tafika frantsay ka lasantsika Malagasy ny toby miaramila teny Ivato, Antsiranana, Fiadanana, Ambohidahy sns …..

Maro ireo vondron-tafika nijoro toy ny “1er ESCAMA” sy ny tafika an-dranomasina .izay  niova ho Forces Aéro-Navales, ka niorina niaraka taminy ny BANI (Base Aéro-Navale d’Ivato) ho an’ny tafika an’habakabaka, ny BANA (Base Aéro-Navale d’Antsiranana) ho an’ny tafika an-dranomasina.

Niorina ihany koa ny “1er RTS” (Régiment de Transmission et de Service) eny Fiadanana no foibeny. Ankoatr’ireo najoro ny Faritany miaramila 6 isaky ny renivohi-paritany.

Nandritra ny Repoblika faharoa dia tafi-bahoaka no niantsoana ny tafika Malagasy

Nisy ihany koa ireo mpianatra afaka bakalôrea izay tsy maintsy nanao ny fanompoam-pirenena ivelan’ny tafika nanomboka tamin’ny 1979 ka hatramin’ny 1991.  

NY ZANDARIMARIM-PIRENENA

Toy ny tafika dia vao tonga ny andron’ny fanjanahan-tany dia niditra teto koa ny “Gendarmerie française” tamin’ny 1895. Taorian’ny naha protectorat frantsay antsika ny 01 oktobra 1895.

1905 : Noforonina ny Garde Indigène de Madagascar

1950 : Niova ho Garde de Madagascar ny Garde Indigène

1960 : Teraka ny “Zandarmaria Nasionaly (ZN)” izay nivondronan’ireo Garde de Madagascar sy ireo teratany Malagasy niasa tao amin’ny Zandarmaria frantsay

1969 : teratany Malagasy no notendrena hifehy ny Zandarmaria Nasionaly dia ny Lietna Kolonely Ratsimandrava Richard.

1975 : Niova anarana ho Zandarimariam-pirenena na ZP ny ZN teo aloha.

Ny andraikitry ny zandary dia ny fampanjakana ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto an-toerana, ny fandrindrana ny fifamoivozana eny amin’ny lalam-pirenena. Miara miasa akaiky amin’ny fitsarana ny zandary.

Nandritra ny Repoblika voalohany dia nisava ny karatra isan-dahy ihany koa ny zandary.  

NY MINISTERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

Tsy manana minisitra manokana ny Foloalindahy fa dia ny lehiben’ny fitondram-panjakana no sady minisitry ny fiarovana toa an’ny Filoha Tsiranana, ny Jeneraly Ramanantsoa, ny Kolonely Ratsimandrava, ny Capitaine de Frégate Ratsiraka ary ny Praiministra Rakotomalala Joel

Nanomboka teo amin’ny fitondram-panjakana notarihin’ny PM Rakotoniaina Justin vao nisy ny Minisitry  ny  Fiarovana tsy lehiben’ny fitondram-panjakana dia ny Kolonely Mampila Jaona. Niovaova araka ny vanim-potoana ny anarana niantsoana io Ministera io.  

IREO SEKOLY MPANOFANA MIARAMILA

Ho an’ny zandriny indrindra dia ny sekoly miaramilam-pirenena (SEMIPI) any Fianarantsoa

Tao ihany koa ny Ecole des Cadres izay niova ho ENSOA (Ecole Nationale des Sous Officiers de l’Armée) izay mamoaka manamboninahitra lefitra na sous officiers.

Ny Akademia Miaramila ao Antsirabe izay mamoaka manamboninahitra.

Taty aoriana dia nisy ny CPO ( Centre de Perfectionnement des Officiers) sy (Ecole d’Etat Major). Ho an’ny zandarimariam-pirenena dia tany Moramanga ny sekoly fanofanana zandary, ary nafindra any Ambositra io sekoly io taty aoriana. Ny sekoly tao Moramanga dia lasa sekoly fiofanan’ireo manamboninahitra nivoaka tao amin’ny Akademy Miaramila nisafidy ho zandary.  

NY FIBAIKONA MIARAMILA

Nandritra ny fitondran’ny Jeneraly Ramanantsoa dia nogasiana ny fibaikona tao amin’ny foloalindahy. Nampiasaina ny voambolana toy ny hoe : “jery atrika, aoka, todik’ivoho, banjina havia, izaho izay, miara mandroso”…

Tsy nisaraka tamin’ny tantaram-pirenena ny tantaran’ny foloalindahy hatrany amin’ny fitondrana faha mpanjaka, faha-zanantany, tamin’ny niverenan’ny fahaleovantena ary mandrakizao izy feno enmpolo taona izao .

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-05-31.

Miverina
footer-frame