Ireo lahatsoratra

Ambatomanitrasina: renivohi-panjakan’ ny andriamamilaza...

Any amin’ny faritra avaratr’Antananarivo, any amin’ny lalana mizotra mankany Anjozorobe iny, no misy ny tendrombohitra antsoina hoe  Ambatomanitrasina. Miraki-java-baventy tamin’ny tantaran’i Madagasikara io toerana io saingy vitsy no mahalala ny tantarany noho ny fisiany efa hatramin’ny fahagola. Ireo mpandalina tantara ankehitriny, raha nandeha nitsidika tany ka nanao fanadihadiana dia resy ( . . . )

Benaivo - 2022-03-16 06:02:50 Tohiny

Eny indrisy !… ny fanahy malagasy...

Eny indrisy ! izato izaho,Fa manjombon-dava izao, vokatry ny fahoriana,Nisy herisetra mafy,Izay namoizana malala :Tanora maro havan-tiana. Nefa kosa eny indrisy !…Eh !…Indrisy hoy aho aminao :Tsy ireo nofo mora lo, na ireo taolana mivahaIzato isentoako izao. Misy poizina tafiditra eto Madagasikara ka mandripaka Fanahy,Ny Fanahy Malagasy izay voarombak’i satana tamim-pomba sahisahy. Oh ! Manjakaz ( . . . )

Benaivo - 2022-03-16 03:56:17 Tohiny

Esory re ry raiko...

Esory re ry raikoTy kapoaka mangidy,Fa reraka ny aikoNef'izaho tsy hifidy oNy sitrakao ry RaikoZay tianao ataoEken'ny foko sy ny saiko Raiko o!Atao anie ny sitrakao Na mamy na mangidyNo atolotraoTsy ahy ny safidyHosotroiko izao re ry Raiko oNy sitrakao ry RaikoZay tianao ataoEken'ny foko sy ny saiko Raiko o!Atao anie ny sitrakaoMpamorona : Razafindrazaka Nihira azy voalohany: Esther sy Rakotobe

Benaivo - 2022-03-16 03:39:09 Tohiny

Fetinao...

Fetinao androanyHo fahatsiarovanaIndramiko ny hiraHo any aminaoHisolo tena ahyHanoroka anao.                  Araho moramora                 Izany hirako izany                 Fa ho tsapanao ao                 Ilay fitia tsy mety lany                 Ka ny feoko izay manako                 Nataoko hanafosafo anao                 Ary ireo tononkirako                 Nosoratako ho anao. Fetin ( . . . )

Benaivo - 2022-03-14 03:59:52 Tohiny

Ny fifanajana...

Anisan'ny kitro ifaharan’ny fiarahamonina Malagasy ny fifanajana. Samy manao izay tandrify azy ny sokajin’olona tsirairay ary samy manila ny adidiny amin’izay tokony omena izany haja izany. Ny fifanotronana na ankaratsiana na ankasoavana dia endrikin’ny fifanajana ankoatra ny fitandroam-pihavanana. Fomba fanao eo amintsika Malagasy, ny zandry manaja ny zoky, ny zanaka manaja ny ray aman-dreny ( . . . )

Benaivo - 2022-03-14 03:49:54 Tohiny
Hira
Voambolana malaza
1 ... 3 4 5 ... 32
footer-frame