NY FIFANAJANA

Anisan'ny kitro ifaharan’ny fiarahamonina Malagasy ny fifanajana. Samy manao izay tandrify azy ny sokajin’olona tsirairay ary samy manila ny adidiny amin’izay tokony omena izany haja izany. Ny fifanotronana na ankaratsiana na ankasoavana dia endrikin’ny fifanajana ankoatra ny fitandroam-pihavanana. Fomba fanao eo amintsika Malagasy, ny zandry manaja ny zoky, ny zanaka manaja ny ray aman-dreny. Ny ray aman-dreny koa anefa dia tsy izay niteraka ihany, fa raisina ho ray aman-dreny ny mpitondra, ny mpitantana ao amin’ny toeram-piasana, ka mendri-kaja amin’ny fotoana ilana izany. Na izany aza anefa dia tokony hanolotra ny haja sahaza ny zanaka sy ny zandry ireo ray aman-dreny. Fomba Malagasy hatramin’izay ny fanaterana solombodiakoho ho an’ny ray aman-dreny, ary ny zanaka kosa indrindra fa ny zafikely mahazo ny solom-penakoho avy amin’ny ray amandreny, ary endrikin’ny fifanajana izany. Ny fomba iray heverina hitondra ny firindran’ny fiarahamonina dia ny fifanajana eo amin’ny fahasamihafana. Voajanahary eo amintsika olombelona ny tsy fitoviana, ny isambatan’olona, ny isam-pianakaviana, ny isan-tanàna, ny isam-paritra dia tokony samy hanaiky ny fahasamihafana, manao izay hanandratana ny an’ny tena ary manaiky amin’ny fo izay maha izy ny hafa, tsy tokony hifanenjika sy hifamingana fa tokony hifanampy aza, satria zava-dehibe ny fifamenoana. Matoa be no tsy lavorary amin'ny fiarahamonina iainantsika ankehitriny, dia satria tsy nihatra araka ny tokony ho izy ny fihavanana, ny fivavahana ary ny fifanajana. Manjaka loatra ny fitiavam-bola eo amin’ny olombitsy ka tsy voahaja intsony ilay arofanina napetrakin’ny razana manao hoe : « tsy ny teny no fady fa ny vavam-bahoaka ». Ny vahoaka rahateo moa matetika no tampenam-bava, ka izay miteny ny marina dia ampitahorina sy rahonana. Ny fitaovan-tseratsera hanehoan’ny vahoaka ny heviny dia tratran’ny sivana mivantana na ankolaka amin’ny alalan’ny fandrahonana sy ny ramatahora isan-karazany, toy ny fandrangarangana ny lalana momba ny heloka atao amin'ny alalan'ny tambanzotran-tserasera. Tsy tokony ho izao ny toerana misy ny firenentsika raha samy nanaiky nampihatra araka ny tokony ho izy ny fihavanana, ny fifanajana ary ny fihavanana ny tsirairay. Ny vola dia samy mila azy avokoa ny isam-batan’olona, tokony ho fitaovana hanatsarana ny fiarahamonina ny vola fa tsy hanapotika izany. Ary farany nomen-janahary ny tenindrazantsika isika malagasy izay fitaovana lehibe manamora ny fifandraisana, tsy misy olana tsy voavahan’ny fifampiresahana, koa aoka ampiasaina ny tenintsika handaminana ny firenena.

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2022-03-14.

Miverina
footer-frame