ENY INDRISY !… NY FANAHY MALAGASY


Eny indrisy ! izato izaho,

Fa manjombon-dava izao, vokatry ny fahoriana,

Nisy herisetra mafy,

Izay namoizana malala :Tanora maro havan-tiana.

 

Nefa kosa eny indrisy !…

Eh !…Indrisy hoy aho aminao :

Tsy ireo nofo mora lo, na ireo taolana mivaha

Izato isentoako izao.

 

Misy poizina tafiditra eto Madagasikara ka mandripaka Fanahy,

Ny Fanahy Malagasy izay voarombak’i satana tamim-pomba sahisahy.

 

Oh ! Manjakazaka eto ireo fitiavan-tena maro, fahavalom-pirenena,

Mandoto ireo Fanahy, dia ny Fanahy malagasy mpankanto ny fahendrena.

 

Eny indrisy izato izaho, mahonena, manjoratra, ianjadiam-pijaliana,

Ny ranomasoko tsy tana, ary ontsa koa ny foko fa tsy misy fifaliana :

Ireo toetra feno haja, ny firaisan-kina tsara toa modiana tsy arahina,

Ny hetraketraka mamono, fisaraham-bazana aza no tsy laitra notsipahina.

 

Fa nahoana kosa re ity Fireneko ity no mivarilavo fatratra ?

Inona no famonjena fa sahirana ny saiko, ny fanavotana tsy fantatra ?

 

Ry Malagasy namako ô ! Mihevera mba henoy ny sentom-poko

Ndeha hivondrona isika, hifanampy, hifanasoa, dia ho foana ny toloko.

 

Tompo ô ! R’Ilay Nahary, arotsaho ny herinao, vonjeo ny Malagasy !

Mafy loatra ny manjo, avotinao izahay, aza avela hangasihasy.

Ianao no iankinana, Ianao no tokinay, Ianao no andrandraina,

Ary i Madagasikara dia hifikitra aminao ka ho foana ny taraina

 

G.R.G.

Georgette Ranivoarivelo Gabrielle

15 marsa 1980

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2022-03-16.

Miverina
footer-frame