AMBATOMANITRASINA: RENIVOHI-PANJAKAN’ NY ANDRIAMAMILAZA

Any amin’ny faritra avaratr’Antananarivo, any amin’ny lalana mizotra mankany Anjozorobe iny, no misy ny tendrombohitra antsoina hoe  Ambatomanitrasina. Miraki-java-baventy tamin’ny tantaran’i Madagasikara io toerana io saingy vitsy no mahalala ny tantarany noho ny fisiany efa hatramin’ny fahagola. Ireo mpandalina tantara ankehitriny, raha nandeha nitsidika tany ka nanao fanadihadiana dia resy lahatra fa tao Ambatomanitrasina no nivantana voalohany ireo  aostroneziana nanorom-ponenana tao.  Raha afohezina ny tantara, Andriamamilazabe dia taranaky ny Mpanjaka Andriantomara, izay niditra fahagola tao Mangabe (Maroantsetra) ary niakatra taty Imerina taty aoriana (eny tompoko, tsy nipoitra ho azy avy amin’ny vato, na nilatsaka avy any an-danitra ny Merina fa nandeha sambo ny razany niditra ny morontsiraka, ary avy eo dia nandeha tongotra nanavatsava ny ala atsinanana satria tamin’izany fotoana tsy nisy fiaramanidina na helikoptera!).

Voarakitra fa loharano nipoiran’ny Andriana teto Imerina sy ny Andriana sasany toy ny avy any Andratsay ny Mpanjaka Andriatomara. Anisan’ireny ny Andriateloray (Andriatompokoindrindra, Andrianamboninolona ary ny Andriandranando), sy Andrianampoinimerina, izay  zafikelin'Andriambelomasina ary nateraky Andriamiaramanjaka tao Kaloy, izay taranaky Andriamamilazabe ihany koa. Tsetsatsetsa tsy aritra ny hilazana etoana fa misy tetiarana mazava ny momba io fiavian’Andrianampoinimerina io, izay nangonin’I Ramilison Emmanuel tamin’ny taona 30 tany ho any, ary nosoratany tao amin’ilay boky hoe “Ny niandohan’ny Andriana nanjaka teto Imerina sy Madagasikara. Io tetiarana io dia ahitana mazava fa avy any avaratra atsinanana (Mangabe Maroantsetra) no razana nipoiran’Andrianampoinimerina.  Tsy misy manana tetiarana toy izany ireo milaza fa avy any atsimo atsinanana ny nipoiran’Andrianampoinimerina, na ireo milaza fa Andriamisara no rainy.

 Raha iverenana ny momba an’Ambatomanitrasina, dia hita fa tendrombohitra vato hatrany ifotony io toerana io, 1500m ny haavony. Ny ilany andrefana dia hantsana sy harambato ary ny atsinanana sy atsimo dia samy rakotra ala mikirindro avokoa. Avy avaratra no lalan-tokana hiakarana eny an-tampon-tendrombohitra satria misy lalam-bato azo arahina tsara. 

Eo ambodiandrefan’ny tendrombohitra no misy ilay tanana atao hoe Vodivato, izay tena fonenana raha mari-panjakana kosa Ambatomanitrasina. Ao antampon’ny tendrombohitra no misy ny fasan’Andriana, izay hilevenan’Andriamamilazabe sy Ramanitrasina ary Andriamangodohodoaminitany mbamin’ny taranany avy. Nisy tranomanara vita tamin’ny voamboana na hazomena teo. Io no trano manara voalohany teto Imerina. Ny taona 1934 tany dia mbola nisy nahatsiaro ny fisiany, saingy taty aoriana dia efa rava. Amin’izao fotoana izao kosa dia efa naverina ao io tranomanara io.  Tao Ambatomanitrasina koa no nisy izany “sinibe manga roa” vita tamin’ny tanidilatra sy voaosotra manjarano izany.  

Ny antony nanorenan’Andriamamilazabe tranomanara , ankoatra ny maha mari-piandrianana azy dia mba hivavahana amin’ny razana sy hanaterana fanatitra. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa fomba tatsinanana io noraiketin’Andriamamilazabe io sy manamafy ny fototra aostroneziana niaviany. Io toetrany natao hivavahana sy hanaterana fanatitra io no naharaikitra ny tranomanara ho trano masina. Tsy azo nidiran’olon-kafa ankoatra ny taranaky ny  Andriana nanjaka izy ireny. Ny olon-tsotra dia tsy mba nasiana izany ny fasany. Nisy ihany anefa taty aoriana, ireo nomena valisoa tamin’ireo vahoaka tsotra ka nasiana tranomanara teo ambony fasany. Tsy azo havaozina anefa izany tranomanara izany rehefa simba, fa dia iny indray mandeha iny ihany.

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2022-03-16.

Miverina
footer-frame