FETINAO


Fetinao androany

Ho fahatsiarovana

Indramiko ny hira

Ho any aminao

Hisolo tena ahy

Hanoroka anao.

                 Araho moramora

                 Izany hirako izany

                 Fa ho tsapanao ao

                 Ilay fitia tsy mety lany

                 Ka ny feoko izay manako

                 Nataoko hanafosafo anao

                 Ary ireo tononkirako

                 Nosoratako ho anao.

Fetinao androany

Ho fahatsiarovana

Indramiko ny hirako

Ho any aminao

Ho solo voninkazo

Hatolotro anao.

     Tsy adinoko amin’izany

      Ny mivavaka ho anao

      Mba ho feno hafaliana

      Ilay tokantranonao

      Ho tojo izay irina

      Ho lavitra ny tsetra

      Ka ho feno hafaliana

       Ny androm-piainanao rehetra.

Fetinao androany

Ho fahatsiarovana

Indramiko ny hirako

Ho any aminao

Mba hisolo ny tenako

Tsy afaka manoroka anao.

                                 NARISOA

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2022-03-14.

Miverina
footer-frame