header-frame

NY ADALA SY NY HENDRY TEO AMIN’NY NTAOLO

Lany andro va re ny fahendrena Malagasy sa isika no mihagaigy e? Hoy ny fitenin-drazantsika: “Ny tanam-be tsy ilaozan’adala”

Raha tsikeraina ny sary avoakan’io oham-pitenenana io dia azo eritreretina fa samy manana ny velarany ny tany onenana. Arakaraka ny haben’izay velarana izay koa matetika ny isan’ny mponina ao aminy. Rehefa ifaneraseran’ny olona maro ny tanàna anankiray dia miha-mivoatra hatrany hatrany. Tsy azo lavina io fivoarana io satria samy mitondra ny soatoavina isanisany avy ny mpihavy ary ny tompontany koa manana ny azy.

Tohiny
sary rfim

Ny RADIO FEON’IMERINA, RFIM 101.6 Mhz

Ny kolontsaina, ny soa toavina ary ny tantara no hany mampiavaka an'i Madagasikara amin’ny firenena hafa. Ary ny fanajana sy fanomezan-kasina ny an’ny tena no hampisy lanjany azy eo anatrehan’ny hafa.

sary rfim

ANKIBON’IMERINA

Entina ampahafantarana ny zava-mitranga ara- piarahamonina, ara- tantara, kolontsaina, toe-karena ary politika eny anivon’ireo vohitra samihafa ato anatin’ny faritany Antananarivo

Hamaky bebe kokoa
sary rfim

TORITORIRAVINA

Famakafakana: ny fomba fahitan’ny mpanao gazety eto amin’ny radio Feon’Imerina ny toe-draharaha politika, toekarena sy sosialy eto Madagasikara

Hamaky bebe kokoa
sary rfim

AINGAM-PANAHY

Noezahana ao anatin’ity sokajy ity ny hanangonana ireo tononkira amin’ireny kalon’ny fahiny sy kalon’ny omaly ireny, izay matetika dia vy amin’ny tantara tsangana, ...

Hamaky bebe kokoa
frame-decorative

Ireo fandaharana anio.

Ny hasina, ny soatoavina ary ny kolontsaina sy ny tantaran’Imerina no ezahin’ny onjam-peo apariaka, mba hampifaka ny taranaka mifandimby amin’ny kolontsainy sy ny tantarany indrindra amin’izao vanim-potoana ifofofofoan’ny rivotry ny fanatoloana « mondialisation » izao.

sary rfim

METEZA HO OLOM-PIRENENA VANONA

Tahaka ny ahoana ny famaritan’ny teto Imerina izany atao hoe Olom- banona? Fanabeazana olom-pirenena, amin’ny alalan’ny hainteny, ohabolana, angano sy tononkalo. Alatsinainy ka hatramin’ny zoma, amin’ny 9 ora maraina. Famerena ny hariva amin’ny 9 ora, sy ny alahady amin’ny 7 ora.

Mpiandraikitra : Ramasinirina

sary rfim

AIZA HO AIZA ISIKA IZAO

Tanjona makadiry nefa sarotra ny fampandrosoana ny faritanin’Antananarivo, izay tsapa fa tsy mitsahatra ny mitsitontongana eo amin’ny lafiny rehetra (toe-karena, politika, fiaraha-monina, ara-kolontsaina sy ara-panahy…)tao anatin’ny taona maromaro. Ity fandaharana ity dia natokana ho an’ireo izay manankabara momba ny fampandrosoana. Resadresaka mandritran’ny adiny iray miaraka amin’ny mpampiasa vola, mpitarika politika, na mpitondra fivavahana, ny alakamisy amin’ny 2 ora.

Tompon’andraikitra: Lucien Ranaivoson

sary rfim

Toritoriravina

Famakafakana ny toe-draharaha politika, toekarena sy sosialy eto Madagasikara, sahanin'ireo mpanao gazety eto amin'ny Radio Feon'Imerina. Isaky ny Asabotsy amin’ny 6.15.

Tompon'andraikitra: Mboara Andrianarimanana, Rivo Ramiandra, ary Andry Razafindrabetsiavalona

sary rfim

Fandaharana

Mitety vanim-potoana ny RFIM eo amin’ny hira alefany. Manana ny lanjany manokana ny kalon’ny fahiny, ny hiran’ny omaly, ary ny hira gasy. Fa omena sehatra ihany koa ny hira ankehitriny heverina fa manana ny maha-izy azy eo amin’ny fampitan-kafatra ho an’ny mpiara-belona. Noezahana tsy haka fotoana maro eo amin’ny onjam-peo ny resaka lava loatra. Tsara ny manamarika fa tan-tsoroka no mampandeha ny Radio Feon’Imerina. Mifarimbona mavitrika ireo mpiasa raikitra sy ny mpanentana an-tsitrapo. Ao ireo mpamokatra fandaharana: Ramasinirina Andrianarimanana (talen’ny famoahana), Moreno, Ranaivoson Lucien, Ramiandrarivo Richard sy Razafindrabetsiavalona Andry (samy mpanao gazety), Ranaivo Riri, Tiana Ratovondriaka. Ao kosa ireo mpanentana: Hasina, Safidy ary I Raozy.

Ireo fandaharana.
sary rfim
"Ny RFIM dia nisafidy ny hifototra tanteraka amin’ny tontolo mivantana misy azy (“Radio de proximite”). Koa ny tranga manana fiantraikany mivantana amin’ny mponin’Antananarivo no ataony laharam-pahamehana amin’ny famakafakana sy fandalinana ataony. Mpiandraikitra: Mboara Andrianarimanana, Rivo ramiandra, Andry Razafindrabetsiavalona"
Toritoriravina
sary rfim
Anisan’ny antom-pisian’ny fandaharana « Meteza ho olom-pirenena vanona », ao amin’ny onjampeo Feon’Imerina dia ny nahatsapana indray fa tena miova ny foto-pisainantsika Malagasy ary mivahavaha ny fitondrantena. Adino tanteraka ny fahendren-drazana.
Ramasinirina
sary rfim
Ny fifehezana ny tantara sy ny kolontsaina no fomba afahana manefy ny fotom-pisainana. Miompana amin’ireo lohahevitra ireo ny fandaharana “Aiza ho aiza isika izao” izay afahana manao dian-tana, mijery ny tany aloha mba ibanjinana ny ho avy.
Lucien Ranaivoson
footer-frame