NY ZANAKO...


Ny zanako mantsy ka zanako

Izy no hany fananako

Izy no tompon'ny aiko

Mpandimby sy tena mpibaiko.

Nitelomaka rano tsy tiana

Niaretako ireo fahoriana

Niankinako rindrina irery

Ka tsy nilako mpijery.

 

Ny zavatra vitan'ny tanako

Dia nataoko mba ho an'ny zanako.

Ka na inona loza mihatra

Ny zanako tsy mba mahantra .

Fa aina avy amin'ny aina

Ka tsy foiko hiferinaina.

 

Mpamorona sady mihira no mitendry gitara : Ranaivo Gilbert

 fantatra amin'ny solon'anarana hoe Razilinah

 

Atolotra anao mpamaky amin'izao iray volan'ny ankizy izao

 

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2022-05-22.

Miverina
footer-frame