NY FIHAVANANA


Voalaza fa ny fihavanana no fototry ny fahendrena sy ny fiarahamonina malagasy. Ireo ohabolana sy fitenenana maro dia samy maneho izany avokoa.

Na ankasoavana na ankaratsiana dia tsy maintsy misy foana ny fifanotronana, ho fitsinjovana ny fihavanana no hanaovana izany. Ireo fomba amam-panao samihafa toy ny didimpoitra, ny famadihana, ny fanambadiana, ny fisaoram-bady ary hatramin’ny fandevenana dia hita taratra ao anatin’ny fomba fanao ny maha zava-dehibe ny fihavanana.

Nisy ireo an-tokon’olona izay vao nankalaza ny taombaovao Malagasy, anisan’ny fototra iorenan’izany, ny fanamafisam-pihavanana.

Eo amin’ny raharaham-pirenena dia omena lanja ny fihavanana eo amin’ny samy Malagasy, matoa tsy misy ny ady an-trano eo amin’ny samy Malagasy. Izany akory tsy milaza hoe milamina ny fiarahamonina. Misy koa anefa ireo manararaotra ny fihavanana hanaovana ny tsy rariny amin’ny hafa, endrik’izany ny asehon’ireo nahazo fahefana sasantsany eto amin’ny firenena. 

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2022-05-08.

Miverina
footer-frame