TORITORIRAVINA

Ny fandaharana « toritoriravina » dia fandaharana efa nisy hatrany am-panombohan’ny radio Feon’Imerina (1998), ka ny mpanao gazety matihanina no manantontosa sy miandraikitra azy. Miavaka manokana ny “Toritoriravana” amin’ny fahasahian’ny mpanao gazety manao kiana mivantana rehefa ilaina izany. Mifototra amin’ny vaovao voamarina (loharanom-baovao, antontanisa sns…) avokoa ny fandalinana.

Ny RFIM dia onjam-peo mahaleotena tanteraka, tsy miankina amin’ny antokom-politika na antokom-pivavahana, na fikambanam-paritra na fikambanan-drazana. Miara-miasa amin’ny ankolafin-kery rehetra mihevitra hampandroso ny tanàna na eny ambanivohitra na an-tanan-dehibe anefa ny Radio Feon’Imerina, satria mihevitra fa olom-pirenena feno eo amin’ny faritra onenany ny  Malagasy tsirairay (citoyennete de residence).

Navoakan`i Feno tamin`ny 2020-04-01.

Miverina
footer-frame