NY FIVAVAHANA

Manana ny toerany aeo amin’ny fiarahamonina Malagasy koa ny fivavahana. Mbola tsy tonga teto ny fivavahana kristiana dia efa nahalala nangata-pitahiana tamin’ny razana sy Andriamanitra ny Malagasy. Ny Andriamanitra dia ilay mpahary an’izao tontolo izao, avo indrindra, ny razana kosa no heverin’ny Malagasy ho mpanelanelana ny velona amin’Andriamanitra, ireo ray aman-dreny zokiolona ihany koa dia heverina ho manana izany hasina izany, ka antsoina hoe “razambelona”. Ny fomba amam-panao na amin’ny ankafaliana na ankaratsiana dia ahitana taratra ny fangataham-pitahiana sy ny firariana.  

Isika Malagasy rehefa mifankahita dia nifampiarahaba, rehefa hisaraka dia mifanao veloma. Ny veloma dia endrika mandidy avy amin’ny fototeny velona, firariantsoa sy vavaka izany ny teny hoe: Veloma, ny fiarahabana koa dia efa firariana rahateo.Fomba fanao ankehitriny rehefa misy ny raharaha atao ny mivavaka : didimpoitra, fanorenan-trano, fanorenam-pasana, fanambadiana, tsingerintaona, ary amin’ny fotoana hikarakarana ny maty ihany koa na fandevenana izany na famadihana eo foana ilay fivavahana.  

Ny firariana fanao rehefa taombaovao dia endrikin’ny vavaka atao.

 Ho an’ny mpanao politika dia tsy gisitra izy ireo amin’ny fivavahana, sady fangataha-pitahiana no fakana ny fon’ny vahoaka no tanjona amin’izany. Ho an’ireo toeram-piasana sy sekoly sasany dia ody ambava-fo ny vavaka, ka tsy manomboka ny atao isa maraina raha tsy vita vavaka.  

Maro endrika ny vavaka ankehitriny satria eo ireo manao izany amin’ny alalan’ny teny fotsiny, ao ireo maneho azy amin’ny endriny kanto toy ny kabary, tsianjery, tononkalo, hira, tantara

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2022-05-08.

Miverina
footer-frame