ETO ANKIBON’IMERINA

Ny fandaharana « Eto ankibon’Imerina » dia fandaharana notontosain’I Mboara Andrianarimanana sy Gerard Rakotonirina nanomboka ny taona 1998. Saika efa voatety avokoa ny Vohitra teto Imerina enintoko (faritanin’Antananarivo manontolo) nanaovana fanadihadiana mikasika ny fiaimpiainana ankapobeny eo amin’ilay toerana. Miainga amin’ny tantara ny resadresaka ifanaovana : ny nahatonga ny anaran-tanana, ny fomba nanorenana azy, ny momba ny mponina mipetraka ao. Voadinika ihany koa ny resaka toe-karena sy ny sosialy ary ny kolontsaina mampisongadina ilay vohitra.


Ao anatin’ity takelaka ity kosa, dia nitarina ny sehatra, ka lahatsoratra mikasika ny foto- kevitra ijoroan’ny Feon’Imerina, miampy ny fanabeazana ho olom-banona ary ny fampahafantarana ireo mpanakanto eto ankibon’Imerina no nasongadina manokana.

Navoakan`i Feno tamin`ny 2020-04-01.

Miverina
footer-frame