NY FITIA VITA VOADY


Ny fitia vita voady

Mandramaty ho doria

Sanatria tsy ankoso-bolamena

Ka mamiratra jerena.

 

             Bararata noladinim-bahy

             Ka mifaningotra hatrany

             Samia tia ka hiaraka eto an-tany

             Na ho tsiky na tomany.

 

Ny fitia vita voady

Volamena vita sedra

Dina vita sikotra ao anaty

Tsy mba taitran-drendrarendra

Vointenan’izay tsy tia

Te handrava hankahala

Fa fitia, fitia ho doria

Tsy mataho mpanadala.

 

  Na ho sarotra aza re ny dia

  Ny hiova sanatria

  Na ho semban-drahona aza

  Nofy izay ho lefy laza

  Mafy orina ny anay

  Ho doria mandrakizay

  Ka ny fasana no fetra

  Amin’ny andronay rehetra.

 

Namorona : Rabehasy Pauline

Mpihira : Rabehasy Pauline sy Romule

 

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2022-05-22.

Miverina
footer-frame