NY ADALA SY NY HENDRY TEO AMIN’NY NTAOLO

Lany andro va re ny fahendrena Malagasy sa isika no mihagaigy e?

Hoy ny fitenin-drazantsika: "Ny tanam-be tsy ilaozan’adala"

Raha tsikeraina ny sary avoakan’io oham-pitenenana io dia azo eritreretina fa samy manana ny velarany ny tany onenana. Arakaraka ny haben’izay velarana izay koa matetika ny isan’ny mponina ao aminy. Rehefa ifaneraseran’ny olona maro ny tanàna anankiray dia miha-mivoatra hatrany hatrany. Tsy azo lavina io fivoarana io satria samy mitondra ny soatoavina isanisany avy ny mpihavy ary ny tompontany koa manana ny azy. Misy ny tsara ary misy ny ratsy amin’ireny soatoavaina ireny. Manorina fitsipika iraisana anefa ny mpiara-monina rehefa miara-mitoetra ka ny fanajana izay fitsipika izay no ekena ho fahendrena. Ao anatin’io fiaraha-monina io anefa dia tsy ilaozan’izay hanivaka, ary ireny olona ireny matetika no antsoin’ny besinimaro hoe "adala". Raha hiverenana ilay ohatra ery ambony, ny teny hoe "tsy ilaozana" dia mamaritra fa mety ho vitsy raha miohatra amin’ny rehetra miara-monina ny isan’ny "adala" na ny "miendrika adala sy misary adala", fa tokony ho manam-panahy sy ho hendry ny ankamaroan’ny mpiara-monina.

Ny zava-nitranga teto Madagasikara, dia toa mahatonga ny mpandinika hieritreritra fa lany tamingana ny manam-pahendrena!  Tsy milamina ny tany, mirongatra ny asan-jiolahy, mifanompa sy mifanebaka ny mpanao pôlitika. Manao izay danin’ny kibony ny ankabeazan’ny olom-pirenena. May ny tanety (ary tena ara-bakiteny io). Ireo heverina ho ray aman-dreny toa tsy maka ny toeram-boninahitra sahaza azy fa miandany amin’izay andrin’ny fony. Teraka ny fanivaivana toy ny hoe : "Manao fahateran’alika ka antitra vao mihagaigy".

Na ny mampiasa ilay ohatra anefa na ny ampiasana izany dia Malagasy noheverina ho manam-panahy handalàna avokoa.

Dia ho marina tokoa va re ny hoe : "Ny adala tsy misy fa ny ondrakondrafana no betsaka"?

Sa dia lasa adala avokoa isika mianakavy ka tsy mety hitsahatra amin’ny atao, izay efa hita fa tsy manakany amin’ny tombotsoa iombonana? Adino ilay fiteny malaza hoe : "Ny Hendry mody voky fa ny adala manesika ihany".

Mpanolotra: Ramasinirina
[Meteza ho olom-pirenena vanona] [Tsiahy]


Navoakan`i Feno tamin`ny 2020-04-01.

Miverina
footer-frame