Ireo lahatsoratra

Haingam-panahy/tononkira: ry ampitso izay mifono misitery ...

Hiran'olon-tokana lehilahy notsoahina, tao amin'ilay tantara nosoratan'i Razakarivony Arthur na Rodlish mitondra ny lohateny hoe «  Sangy Mahery » tamin'ny taona 1929, nolalaovin'ny Tropy Jeannette.Namorona ny feon-kira : Andrianary RatianarivoIreo efa nihira azy : Rajaonarivony, Ravaloson Charles, Rajaonarivelo Sylvestre sns...Ry ampitso izay mifono misitery Itony ratra ve tsy hanakom-pery?Ry ( . . . )

Benaivo - 2020-04-02 14:41:35 Tohiny

Meteza ho olom-pirenena vanona: ny toetra tsy maha olombanona...

Matetika ny toetra ratsintsika olombelona dia taratr’ireo Ntaolo tamin’ny fihetsiky ny biby ka nahavatra mihitsy, araka izany ireo ray aman-dreny, nananatranatra tamin’ny alalan’ny ohabolana  ny tsy tokony  hanahafana ireny biby ireny.  Rehefa mahatsinjo olona mihenahena tsy mety mandray anjara amin’ny adidy ny Ntaolo dia nohariny tamin’ny foza ka hoy izy hoe:Aza manao toy ny fozakely anaty lavaka ( . . . )

Benaivo - 2020-04-02 14:01:50 Tohiny

Aingam-panahy...

Noezahana ao anatin’ity sokajy ity ny hanangonana ireo tononkira amin’ireny kalon’ny fahiny sy kalon’ny omaly ireny, izay matetika dia avy amin’ny tantara tsangana, ary nifandrombonan’ireo mpanoratra kalaza tamin’izany fotoana izany, sy ny mpamoron-kira goaibe ihany koa. Noraiketina ato ny mombamomba ny hira, ny mihira azy, ny lohatenin’ny tantara tsangana, ny tropy teatraly nilalao, ary ireo olon ( . . . )

Feno - 2020-04-01 11:34:43 Tohiny

Toritoriravina...

Ny fandaharana « toritoriravina » dia fandaharana efa nisy hatrany am-panombohan’ny radio Feon’Imerina (1998), ka ny mpanao gazety matihanina no manantontosa sy miandraikitra azy. Miavaka manokana ny “Toritoriravana” amin’ny fahasahian’ny mpanao gazety manao kiana mivantana rehefa ilaina izany. Mifototra amin’ny vaovao voamarina (loharanom-baovao, antontanisa sns…) avokoa ny fandalinana.Ny RFIM di ( . . . )

Feno - 2020-04-01 11:33:49 Tohiny

Eto ankibon’imerina...

Ny fandaharana « Eto ankibon’Imerina » dia fandaharana notontosain’I Mboara Andrianarimanana sy Gerard Rakotonirina nanomboka ny taona 1998. Saika efa voatety avokoa ny Vohitra teto Imerina enintoko (faritanin’Antananarivo manontolo) nanaovana fanadihadiana mikasika ny fiaimpiainana ankapobeny eo amin’ilay toerana. Miainga amin’ny tantara ny resadresaka ifanaovana : ny nahatonga ny anaran-tanana, ( . . . )

Feno - 2020-04-01 11:33:25 Tohiny
Hira
Voambolana malaza
1 ... 30 31 32
footer-frame