Noezahana ao anatin’ity sokajy ity ny hanangonana ireo tononkira amin’ireny kalon’ny fahiny sy kalon’ny omaly ireny, izay matetika dia avy amin’ny tantara tsangana, ary nifandrombonan’ireo mpanoratra kalaza tamin’izany fotoana izany, sy ny mpamoron-kira goaibe ihany koa. Noraiketina ato ny mombamomba ny hira, ny mihira azy, ny lohatenin’ny tantara tsangana, ny tropy teatraly nilalao, ary ireo olona izay efa nikalo ilay hira hatramin’ny noforonany.
Ato anatin’ity sokajy ity koa no ahitana ireo tononkalo samihafa na tranainy tsy tontan’ny ela, na vaovao.