Matetika ny toetra ratsintsika olombelona dia taratr’ireo Ntaolo tamin’ny fihetsiky ny biby ka nahavatra mihitsy, araka izany ireo ray aman-dreny, nananatranatra tamin’ny alalan’ny ohabolana ny tsy tokony hanahafana ireny biby ireny. Rehefa mahatsinjo olona mihenahena tsy mety mandray anjara amin’ny adidy ny Ntaolo dia nohariny tamin’ny foza ka hoy izy hoe:
Aza manao toy ny fozakely anaty lavaka: halorina tsy azo, topazan-drano tsy mety mivoaka, fa ao anaty lavaka ihany no manaingaainga tanana.
Hita taratra amin’ity sary ity tokoa fa misy karazan’olona izay, n’inon’inona itarihana azy dia tsy mety miharo amin’ny besinimaro mihitsy. Tsy mijanona fotsiny amin’izao anefa ireny olona ireny fa rehefa misy hevitra tapaky ny besinimaro dia izy no voalohany mandà na mitsikera izany fanapahan-kevitra izany.
Mazàna koa eny anivon’ny fiaraha-monina eny no misy andian’olona izay milaza ho miara-mientana hanatontosa hetsika. Tsikaritry ny manam-panahy ihany anefa fa misy hevitra hafahafa na hafetsifetsena ikambanan’ireny olona ireny ka nanairany ny sain’izay varimbariana ary somary masiaka mihitsy ny fanoharana nataony tamin’izany. Hoy indrindra ny ohabolana:
Aza maro tsy mahavita n’inon’inona toa karazan’amboa: zatolahy tsy midina an-kosy, arivo vavy tsy mitam-bodi-ketsa
Matetika dia ny ombalahy no anoharan’ny Ntaolo ny toetra tsy mahomby mateti-piseho eny amin’ny fiaraha-monina. Tsy mahagaga loatra io fanoharana io satria amintsika Malagasy dia dindon’ny hery sy ny tanjaka ary ny fahazotoana miasa ny ombalahy. Raha misy àry olona tsy mety mandray anjara na miolonolona na faly manararaotra ny sasany fotsiny dia toy izao no fahitan’ny Ntaolo azy.
Toy ny ombin’Imarovantana: sady mahalany ahitra iray lohasaha no mahalany mangahazom-boafolo nefa tsy hita izay taviny, fa ny kibony no mihalehibe na Manao toy ombalahin’Ihosy: ampiadiana tsy miady, ampihosiana tsy mihosy, hanin-kena manila nify
Anjarantsika àry ny mieritreritra sy mandanjalanja ny fihetsika ataontsika ao anatin’ny fiaraha-monina mba ahatonga antsika ho olom-pirenena vanona.
RAMASINIRINA