RY AMPITSO IZAY MIFONO MISITERY

 Hiran'olon-tokana lehilahy notsoahina, tao amin'ilay tantara nosoratan'i Razakarivony Arthur na Rodlish mitondra ny lohateny hoe «  Sangy Mahery » tamin'ny taona 1929, nolalaovin'ny Tropy Jeannette.

Namorona ny feon-kira : Andrianary Ratianarivo

Ireo efa nihira azy : Rajaonarivony, Ravaloson Charles, Rajaonarivelo Sylvestre sns


Ry ampitso izay mifono misitery

Itony ratra ve tsy hanakom-pery?

Ry ampitso izay iandrasako lazao

Inona avy re no zavatra entinao?

Moa ny aizina manarona ny tany?

Tsy hisava fa hikitroka hatrany?

Moa ny androm-pisentoana, dia hitombo?

Moa ny ziogako mafonja, dia hihombo?

 Ry ampitso o ! ny foko mitalaho

Ary koa ny ranomaso dia mitraho

Ry ampitso o ! lazao izay fanafody

Hitsaboako ny foko te ho tody.

 Moa ny erikao sy rivo-doza mafy?

Tsy hanam-piatoana fa hifafy

Moa ny volana sy ny kintana eny ambony?

Dia hisitrika ka tsy hitranga intsony.


Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-03-29.

Miverina
footer-frame