Hira noforonin’i Arthur ao amin’ny tarika
Les Frères Arthur. Nampihirainy an’I Dety sy Norine. Ireto mpihira ireto dia
mpirahavavy ary I Moreno no nampihira azy voalohany tao amin’ny tarika Moreno.
Ny niakaran’izy mirahavavy ireto an-tsehatra voalohany dia nandritra ny
fankalazana ny fahafolo taona nihiran-dRandrianasolo Benjamin, tao amin’ny
Tranompokonolona Isotry ny volana novambra 1972. Vita kapila 45 tours –
Discomad, ity hira ity; Taty aoriana dia nohavaozin’I Arthur ny hira ary
ankehitriny dia ny zanany no mihira azy.Hira anisan’ny tsy afaka ambavan’ireo
mpifankatia ity hira ity tamin’ny taona fitopolo tany ho any ary saiky nandefa
azy avokoa ny radio rehetra tamin'izany fotoana. Amin’izao fotoana izao dia ny Feon’Imerina no iray
amin’ireo vitsy mbola mamoha itony karazan-kira itony any am-pon’ny maro.