NY FIRAISAM-PINOANA

Manana ny toerany teto amin’ny firenentsika ny fivavahana kristiana. Andriamanitra iray no ivavahana, ary tsy misy afaka manatona ny Ray raha tsy amin’ny alalan’i Jesoa   Kristy zanany. Hevitra iraisan’ny fiangonana kristiana rehetra io. Na izany aza anefa dia misy ihany ny fahasamihafana teo amin’ny finoana samihafa. Isika teto Madagasikara dia nanaraka izay nentin’ireo vahiny nampiditra ny fotoam-pinoana napetrany. Ny tsy fitoviana fijery sy famaritra dia tsy misakana ny firaisam-pinoana araka ny voalaza hoe,”mba ho  iray ihany izy rehetra”.

 

NY NIANDOHAN’NY FIRAISAM-PINOANA

Tany Edimbourg (Angletera) tamin’ny taona 1910 no nanomboka ny fiheverana ny firaisam-pinoana, ary tamin’ny taona 1948 no tafapetraka tany Genève (Suisse).

Fa ho antsika  Malagasy dia tamin’ny 27 Septambra 1913, 97 taona lasa izay no nitsangana ny “Comité Intermissionnaire” niraisan’ireo fiangonana tsy katolika Romana rehetra dia ny LMS, FFMA, MPF, SPG, NMS, Loteriana Amerikana.

Ny tanjon’ny “Comité Intermissionaire” dia ny hametraka ny firaisana manoloana ny fihetsika ataon’ny fanjakana frantsay.

Nahatsapa ireo mpitondra fivavahana Malagasy fa zava-dehibe ny fandaminana ny fiarahamonina, koa tsy ilaina ny fanaovana fifaninanana an-jambany, rehefa mitory. Nisy mihitsy aza fizaram-paritany teo amin’’ny fanelezana ny fiangonana ka ny tapany manomboka eo Antsirabe mianatsimo dia andraikitry ny Fiangonana razamben’ny  loteriana, ny eo Antsirabe mianavaratra dia an’ny Fiangonana niavian’ny FJKM ankehitriny , ary ny ilany antsinanana dia sahanin’ny Fiangonana  Anglikana. Io fizaram-paritany io dia vao maika nanamafy ilay “Comité Intermissionaire”. Ankoatr’ireo dia tanjona koa ny hananan’ny fiangonana fahaleovantena fa tsy voatery hiankina amin’ny fiangonana reniny any ivelany hatrany.

 

NY NIANDOHAN’NY FFKM

Izay voalaza tetsy aloha dia manaporofo fa ny fiangonana dia nitaky ny hanana ny fahaleovantenany. Rehefa nigadona ny 26 jona 1960, niverenan’ny fahaleovantenan’ny tanintsika, dia nijoro ho azy ireo fiangonana Malagasy, tsy miankina intsony tamin’ny vahiny.

Nahazo faka ihany koa ny hetaheta hampiray ny finoana.

Ny Mompera Rémi Ralibera, izay nodimandry tamin’ny volana Novambra 2008 sy ny Pasitera Rabemanahaka Jean W izay vao lasa ihany koa tamin’ity volana Septambra 2010 ity no mpisava lalana. Izy mirahalahy ireo no nikaondoha ary nandresy lahatra ireo mpitondra fivavahana namany avy.

Ny Mompera Rémi Ralibera no Mompera niakatra ny pilopitra protestanta voalohany, ary ny Pasitera Rabemanahaka Jean W no nitoriteny voalohany ihany koa tany amin’ny fiangonana katolika. Ny 20 Janoary 1980 no nijoro ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana Malagasy) nahitana ireo fiangonana tranainy efatra dia ny EKAR na Eglisy Katolika Romana, ny FJKM (Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara, ny FLM (Fiangonana Loteriana Malagasy ary ny EEM (Englisy Episkopaly Malagasy) na Fiangonana Anglikana.

 

NY ASAN’NY FFKM

Ny filoham-piangonana efa-dahy no mifandimby isan-taona ho filohan’ny FFKM. Ankoatra ny fampiraisana ny kristiana rehetra dia manana adidy amin’ny fijerena izay mahasoa ny firenena ny FFKM.

Tamin’ny taona 1991 dia nirotsaka tamin’ny fanovana ny lalam-panorenana nirosoana tamin’ny fananganana ny Repoblika fahatelo ny FFKM, ary tamin’ny taona 2002 dia nandray anjara tamin’ny fiarovana ny safidim-bahoaka.

Tamin’ny taona 2009, nisehoan’ny fahasahiranana ara-politika teto amin’ny firenena dia nirotsaka ho mpanelanelana ny FFKM, saingy tsy nahavaha ny olana. Taorian’io dia narisarisa ny fiarahan’ny fiangonana efa-tonta. Tsy dia sahy niditra mivantana tamin’ny raharaha politika intsony rahateo ny FFKM vokatry ny krizy 2009 iny.

Tsy sahy mitazam-potsiny anefa ireo mpitondra fiangonana manoloana ny fahasahirana amin’ny lafiny maro mianjady amin’ny vahoaka ka mamoaka ny heviny ihany indrindra nanomboka ny taona 2019.

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-03-29.

Miverina
footer-frame