« Ao anatin’ny Firenena demokratika dia
manapaka ny maro an’isa, manan-jo ny vitsy an’isa. Mana-jo hanapaka ny maro
an’isa nefa voaaro koa ny zon’ny vitsy
an’isa». Io foto-kevitra hijoroan’ny
demokrasia io dia tsy vaovao amin’ny fahendrena Malagasy satria ny
ohabolan-drazan-tsika dia manamarina fa efa ela no nifanaja sy nifampitsimbina
ny fiaraha-monina Malagasy.
Ny hoe « aza mandidy dia homana»,
Dia tsy inona tsy akory fa fankatoavana ny
hevitry ny maro an’isa sy fitsipahana ny didy jadona mety hiseho eny anivon’ny
fiaraha-monina ka mety hiitatra eny amin’ny lafim-pitondrana no nampiasana io
fomba fitenenanana io. Hoy ihany ny ohabolan-drazantsika hoe:
Aza hanaovana didy boraingina Ralaikamboty.
Mba hanakanana ny mpanapa-kevitra tsy hanao
didin’ny be sandry amin’ireo madinika ao anatin’ny fiaraha-monina koa no
namoahana ity karazam-pitenenana ity;
Mahakasika ny fifmpitsimbinana sy ny
fifanajana indray dia hoy ihany ny
ohabolantsika hoe:
Aoka atao vero am-bala: ny lava tsy
hanosihosy ny fohy, ny fohy tsy hamingana ny lava
Raha ireo rehetra ireo no akapoka ho iray
dia azo ambara fa tsy tokony ho vaovao amin’ny foto-pisainana Malagasy ny
“demokrasia”, saingy ny tsy ahazakan’ny maro azy amintsika amin’izao fotoana
izao dia, satria tsy nisy nampianatra antsika handala intsony itony fahendrena
nifotoran’ny “fanahy no olona” itony.
Matetika aza isika rehefa miresaka eny
anivon’ny fiaraha-monina eny dia miteny mandrakariva hoe “ranona tsy mahatanty
demokrasia”. Zary ataotsika tsianjery maimbo fotsiny anefa io fitenenana io
satria isika milaza izany indrindra no tsy manaja ny hevitry ny hafa matetika,
na koa tsy mety hiady hevitra akory fa mikombo-bava na dia efa hitsahan’ny sasany hatrany an-tampon-doha
aza! Dinidiniho àry ity ohabolana ity dia hamarino ny dia:
Raha izy no mahandro patsa, tsy maninon-tsy
maninona, fa raha izahay no mitono toho, dia ovany ho mandany laoka