INY LOKON-DANITRA INY!

M R Razafy no namorona ny tonony sy feon’ity hira ity. Tany am-piandohana dia Robert Ramisarivo no nikalo azy. Ny nitendry ny zava-maneno nanaraka ny hira dia MR Razafy sy ny tariny ihany. Rehefa maty MR Razafy dia maro ireo mpihira nifandimby nikalo ity hira ity. Tao aloha ireo tanora efa nampianarin’i MR Razafy tao aminy ka namorona ny tarika “Les Razafy”. Taty aoriana dia ny zanak’I MR Razafy antsoina hoe Lucienne no nikalo ity hira ity. Anisan’ny mamelona azy koa anefa i Salomon.

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-03-29.

Miverina
footer-frame