NY FINIAVANA

Ny finiavan’ny tsirairay samirery ve mety ampy hahatafita azy eo amin’ny fiainana ?

Tsia avy hatrany ny valiny omen’ny ohabolana satria mihevitra ny Ntaolo fa ny fifanotohanan’ny olona no mahalasa lavitra ny sasany amin’izy ireo araky ny lazain’ity ohabolana manao hoe ity:

 Tafita aloha, alalan' ny aoriana”

 Mifampiankina hatrany ny fiainan’ny zanak’olona ka tsy maintsy mahalala izany ny manam-panahy. Ny fahafantarana io fifampiankinana io no maniraka antsika hanaja ny lalam-pihavanana dia ny firaisankina ka nilazantsika fa:

  “Ny  mitabe tsy lanin' ny mamba”

  Raha be no miara-manao zavatra dia ho voasoroka ny loza mety hahazo.

Kanefa na manao diabe toy inona aza ny olona, rehefa tsy miray hina tsy mahavita n’inon’inona, indrindra moa raha be finiavana fotsiny fa tsy malina satria:

 Ny mahery tsy maody tsy ela velona”

 Tokony hitandrina sy ho malina ny matanjaka sao sendra ny tampoka tsy maha-lehilahy. Ny tsirairay koa ao antin’izay zavatra tiany atao dia tokony hahatsiaro hitsimbina ny tenany mandrakariva ary anisan’ny fahamalinana koa izany. Izany no nilazan’ny Ntaola fa:

 Ny kibo tsy mba lamosina, ny tsinay tsy mba vatsy”

 Rehefa mahatsiaro mitsimbin ny tenany ny olona dia hahatontosa ny nampanaovina azy na ny zavatra tiany atao ary farany tokony hanam-piniavana hamantatra ny toetr’olona mba tsy hahavoafitaka ny tena no sady mamantatra ny fahadisoan’ny tena rahateo, fa tsy hanao toy ity lazain’ny ohabolana manao hoe ity:

 Mietaketaka foana ny aketa, mirisarisa foana ny adrisa, fa tsy enina anay mitratraingo”

 Misy tokoa eny anivon’ny fiaraha-monina eny, karazan’olona izay misomebiseby fotsiny ihany fa tsy hita akory izay vitany. Hevitra enti-maneso ny toa izany io ohabolana farany iny;

.

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-03-29.

Miverina
footer-frame