NY FIALAMBOLY : TALOHA SY ANKEHITRINY

NY HEVINY

Fahiny, mbola tantsaha ny ankabeazan’ny mponina, ny fambolena no foto-pivelomana nahazo laka. Ny fararano no fotoam-piotazana sy finjinjàna ny vokatra nafafy sy natsatoka, aorian’ny fararano vita tanteraka ny asa fambolena miala sasatra ny tany, toy izany koa ireo mpamboly. Izay ilay antsoina hoe “miala  voly”, arabaki-teny io satria ialana kely mihitsy aloha ny fambolena.

Manana ny heviny faharoa koa anefa ny “miala voly” satria mafy sy manasatra ny asa fambolena, voly no fiantsoantsika malagasy ireny havizanana madinika mihatra amin’ny vatana ireny, rehefa tonga ny fotoana tsy hambolena dia mba miala amin’izay voly izay ny tantsaha, mbola heviny ara-bakiteny ihany koa io.

 

FIALANA AMIN’NY ASA  ANDAVAN’ANDRO

Tsy vitsy ireo sokajin’olona tsy mahazo aina,  raha mipetrapetraka ka tsy miasa. Amin’ny fotoana hialana amin’ny voly dia misy ireo mirotsaka indray amin’ny fanaovana biriky, fanjonoana na fihazana, ny sasany misafidy ny fandrafetana na fanefena ireo fitaovana hiatrehana ny fambolena amin’ny taom-piasana manaraka.

 

LANONAM-PIANAKAVIANA

Mandritra ny fotoana fialana amin’ny voly no  fanararaotana hanatontosana ireo adidy amin’ny fianakaviana sy ny tanindrazana. Ririnina rahateo ny andro amin’izany.

Vitaina eo daholo ny famorana, ny famadihana, na famonosan-damba io no fampodiana am-pasan-drazana ireo havana maty tany an-tany lavitra. Amintsika malagasy moa ny lanonana toy ireny dia tsy maintsy mibanjina hatrany izay hanamafisana ny fihavanana sy ifankahalalan’ny mpihavana.

Fomba mahazatra koa amin’ny fotoanan’ny fialamboly, no atao ny fihaonan’ny zanak’ampielezana na fetin’ny taranaka any amin’ny fiangonana any an-tanindrazana

 FIALAM-BOLA

Fomba fanao ankehitriny rehefa fotoan’ny fialamboly ny miala mihitsy ny toerana honenana fa mifindra lasy kely, ao indray ny sasany manao izay ahafapo amin’ny famonjena lanonana

Ankehitriny dia maro ireo tsenabe isan-karazany isan-tanàna, ny tantsaha rahateo manam-bola aorian’ny fararano.

Raha fitoniana fialana amin’ny havizanana no tokony hiseho amin’ny fotoana fialana amin’ny voly, dia ny mifanohitra amin’izay no miseho indraindray satria maro ireo miroboka amin’ny fisotroana na lanonana fiaretan-tory.

Matetika dia tsy fialamboly no hita fa fialam-bola sy vao mainka aza mitombo indray ny voly manjo ny vatana

Toy ny olom-pirenena rehetra maneran-tany, dia manana zo hiala voly ny vahoaka malagasy. Ny zava-misy ankehitriny anefa dia ny vitsy an’isa no afaka manao izany, fa ny ankamaroany dia tsy afa-manoatra. Ny fahitalavitra sy ny   onjam-peo no hany fitaovana iraisan’ny manana sy ny sahirana. Andraikitra lehibe no sahanin’ireo haino aman-jery ireo amin’ny fampialana voly ny rehetra, hirariana mba tsy ho fandaharana hitondra any amin’ny fakam-panahy no hita na heno fa hitondra fanabeazana sy herin-tsaina hiatrehana indray ny taom-piasana manaraka

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-03-29.

Miverina
footer-frame