HANINA ILAY VOHIDRAZANA

Azafady mba mivilia,

O! ry voron-tsara dia,

Raha mba sitrakareo

Ny hanala izany toreo,

O! ry voron-tsara dia

Iangaviako re mba avia

F' any ankoatr' irony havoana,

Takona any nefa tsaroana

'Lay tanàna iray 'zay niaviana

Onenan 'ireo havan-tiana .

 Veloma ihany hono hoe antsoiny

Ka masina koa fa mbola hihaona soa,

Veloma hono hoe tsy ho mandrakizay

Antsoin' ilay vitsika momba kitay.

 O! ry voron-tsara dia afaka miriaria,

Tsy hoe sangisangv, fa izaho te hamangy

Ilay ankaniko any ho any,

Saingy ny elanelan-tany

No dia efa lavin-doatra,

Ianareo no afa-mihoatra

Dia hitety irony tendrombohitra

Satria re manan' elatra.

                                                        Jean ROSSINAH

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-03-29.

Miverina
footer-frame