MBA MIERITRERETA IHANY E!

Anisan’ny ventiventesina ao anatin’ny soatoavina demokratika ny « fandraisana anjaran’ny olom-pirenena ». Mbola tsy tokony ho vaovao ho amintsika Malagasy koa io foto-kevitra io. Ny Firenena rehetra, na tamin’ny vanim-potoana inona na tamin’ny vanim-potoana inona, ary na inona rafi-panjakana nijoroany dia nampandray anjara foana ny olom-pirenena. Tsy mahagaga loatra araka izany raha hita koa ao amin’ny foto-kevitry ny fahendrena malagasy ny fandraisana anjara ny olom-pirenena.

Misy àry ny antsoina hoe « adihevitra mampiorina, izay manamafy ny fahalalana sy ny fahaizana mamakafaka manoloana ny olana misy », amporisihan’ny fiaraha-monina demokratika ifantohan’ny olom-pirenena. Tena tsara ifantohana mihitsy io voalaza etsy ambony io, raha izao lalan-tsarotra diavin’ny Firenena malagasy izao. Hoy indrindra ny ohabolana :

Mieritreritra atao indray miserana ka nony manenina mandavan-taona.

Ilay fomba fieritreretana indray miserana iny tokoa dia ilazana ny fanahin’olona tsy mifantoka loatra amin’ny zavatra atao na amin’ny zava-mitranga. Matetika anefa iny hakamoana handalina ny zava-misy iny no mety hitondra fatiantoka lehibe ho an’ny isam-batan’olona na mety ho an’ny besinimaro mihitsy aza. Tokony hanadihady mandrakariva ny zava-miseho ny olom-pirenena, indrindra ireo zava-misy mahakasika ny fiainam-pirenena Manamafy izany ity ohabolana manaraka ity :

Mieritreritra lalina fa raha lava ny tanety misy fisainana

Ny fandraisana anjara amin’ny adihevitra politika ohatra dia afaka andrefesana ny fahalalahan’ny olom-pirenena. Matoa tsy sahy na kamo hiady hevitra momba ny raharaha politika ny olona dia tsy mifantoka ao an-tsainy akory fa endriky ny « demokrasia » izay fandraisany anjara izay. Azo heverina ho tsy mahatanty demokrasia ny olona tsy mandray anjara amin’ny adihevitra politika satria tsy afaka hanaja ny hevitry ny hafa. Sokajian’ny fahendrena malagasy ho « manao toton’ondry bory » kosa ny olona tahaka izany, na dia tsy miloa-bava aza satria tsy mahalala afa-tsy hevitra tokana. Matetika tokoa manko dia manome tsiny lava no mba fandraisana anjaran’ny olona toy izany. Araka ny ambaran’ity ohabolana manao hoe ity:

Raha izy no mahandro patsa, tsy manino-tsy maninona, fa raha izahay no mitono toho, dia ovany ho mandany laoka

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-03-29.

Miverina
footer-frame