ERITRERITRA FAHAVARATRA

Mijononoka moramora ny orana avy hariva,

       Ny alina madiva,

Hamonto an-torimaso ny lanitra sy tany,

       Ka hitondra any ho any...

Any ho any, nefa aiza? Aiza ho aiza ry Fanahy

       Toa reraka, manahy?

Aiza ho aiza no hampita izato nofinofinao

       Izay mameno, no injao

Mihodinkodina ao am-po, mihodinkodina ao an-tsaina

       Toa rano nafanaina?

 Mitsilopilopy mora, toa mangovitra sy ory

       Ny jiroko. Matory

Izay rehetra manoloana ny masoko mahery.

       Aiza ho aiza no miery,

Ry Fanahy, ilay nofinofy izay namonto antsika teo?

       Avia mamoaka feo,

Ka lazao am-bitsibitsika ao am-poko kely ao

       Izay tena teninao,

Dia ho fantatro avokoa izay rehetra afenina ahy...

       Mitenena, ry Fanahy.

 Ny jiroko efa maty, ny orana efa lany;

       Mangina koa ny tany,

Ka hatrao anatiko ao. Tsy misy reko intsony,

       Tsy misy tsy mba tony...

Kanefa re, kanefa toa mbola be dia be

       Ny fitiavako handre

Izay tena dinanao, ry vintana tsy fantatra!

       Tsy mbola tena sambatra,

Sady feno tebiteby ny nofo sy ny saina

       Ka he! mitaintaina!

 Nihanalemy moramora ilay orana avy hariva.

       Ny andro dia madiva

Hamoha ny torimason'ny lanitra sy tany

       Ka hamerina avy any...

Avy any, nefa avy aiza? Avy aiza ry Fanahy      

       Toa trotraka, manahy?

Avy aiza no nampita ilay mba nofinofinao

       Izay namonto, no injao

Mihamalefaka ao am-po, mihamalefaka ao an-tsaina,

       Toa rano nafanaina? 

 J.J. RABEARIVELO

(Kalokalo Tatsinanana, tak.10-11)

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-03-29.

Miverina
footer-frame