|
Anisan'ny nahazo
toerana lehibe tamin'ny fitakiana nataon'ny mpianatra tamin'ny taona 1972 ny fanagasiana ny fampianarana, tsy
tongatonga ho azy izany fitakiana fa vokatry ny zava-nisy eran-tany. Mbola miteraka ady hevitra lehibe izany ankehitriny : Inona no
nahatonga ny fanagasiana ? Ahoana ny fomba nampiharana azy? Naninona no
tsy nahomby? Ny fampiasana ny teny vahiny ve no tena mitondra any amin’ny
fahombiazana?
NY NAHATONGA NY FANAGASIANA
Ry zareo tany Frantsa
tamin'ny faramparan'ny taona fitopolo dia tao anatin'ny fotoana nikarohana
voambolana amin'ny teny frantsay, hanatsarana ny fanabeazana tany aminy.
Nahatsapa izany ireo manampahaizana malagasy sasany, ka nanapa-kevitra ny hoe
nahoana isika no hiandry izay voambolana karohin'ny vazaha, tsy aleo koa ve mba
mikaroka amin'ny tenindrazantsika. Ny UNESCO ihany koa dia nanamafy fa ny
tenim-pirenen'ny tany iray no teny fampitana fahalalana mahomby indrindra, ary
ireo manampahaizana malaza eran-tany dia nampianarina tamin'ny tenin-drazany.
NY FOMBA
NAMPIHARANA NY FANAGASIANA
Rehefa tena raikitra
fa hirosoana ilay fanagasiana dia nizarazara maromaro ireo hevitra nivoaka.
Misy ireo antokon'olona mpamendrofendra, sahy nilaza fa ny fanagasiana dia fanandratana
ny fiteny Merina.
Ny hafa indray nilaza tamin'izany, fa ho very ny ankizy satria tsy hahay
tenim-pirenena vahiny intsony. Misy indray koa ireo nanantena sy nino fa tsotra
ny fanatanterahina ny fanagasiana;
TSY NAHOMBY NY FANAGASIANA
Nirosoana tokoa ilay fanagasiana, nampiasa ny ron-dohany ireo
mpampianatra mpikaroka voambolana tamin'ny isan-taranja. Indrisy anefa fa dia
tsy fahombiazana ny vokany.
Ny antony nihazakazahana ny fametrahana azy, tsy lavorary ny
nenti-manana nanaovana azy, ireo mpampianatra koa tsy dia mbola ampy traik'efa
loatra. Ny fomba fandraisana mpampianatra nataon'ny mpitondra ihany koa no
fositra nanimba ilay fanagasiana, satria ireo mpianatra afaka BEPC dia miofana
volana vitsivitsy dia lasa mpampianatra eny amin'ny Sekoly fanabeazana fototra
ary izay afaka BACC dia alefa mampianatra eny amin'ny sekoly Ambaratonga
faharoa fototra amin'ny alalan'ny fanompoam-pirenena ivelan'ny tafika.
NY SEKOLY MAMPIASA TENY FRANTSAY
Nony tsapa fa nisy lesoka ilay fanagasiana dia nihazakazahana, indray ny
sekoly mampianatra amin'ny teny frantsay.
Ny vokany dia tsy ambony tsy ambany ny fahaizan'ny mpianatra, sady tsy
mahafehy teny vahiny no tsy mahay teny Malagasy.
Teny malagasy no ampiasainy sy iresahany amin'ny ray aman-dreny, kanefa teny frantsay no asesika ao an-dohany any am-pianarana. Tsikaritra fa na mahay miteny frantsay aza ilay mpianatra dia mpanao tsianjery maimbo fotsiny.
AZO ANTOKA NY TENY MALAGASY
Ny mpikaroka maro eran-tany dia nilaza fa ny olona tsara fototra amin'ny
fahaizana ny tenin-drazany dia tsy manana fahasahiranana amin'ny fifehezana ny
tenim-pirenena hafa. Azo ampitana tsara
ny fahalalana rehetra ny tenin-drazantsika, ny porofo tsy azo lavina, matoa
mifikitra amin'ny fivavahana kristiana ny ankamaroan'ny malagasy, dia noho ilay
baiboly izay novakiany tamin'ny teny malagasy, tsy azo lavina ihany koa fa maro
ireo mpianatra nampianarina tamin'ny teny malagasy no tafita.
Raha tiana handroso ny firenena tsy azo atao ambanin-javatra ny
fampianarana. Ilaina ny mandinika amin'ny saina tony izay fomba hampahombiazana
ny fampitana fahalalana amin'ny teny malagasy. Raha tena manana ny atao hoe
ambompom-pirenena isika malagasy dia atao vaindohan-draharaha izay ary tsy
tokony hitsitsiana vola aman-karena ny fanaovana izany.