Hevitra iraisan’ny Firenena mandala ny Demokrasia eran’izao tontolo izao
ny hoe « antoka iray mampirindra ny fiaraha-monina ny fahalalan’ny
olom-pirenena ny andraikiny ». Ny andraikitra, izay voafaritra fa
« adidy na fehy mamatotra ny olona hanao na tsy hanao (raha voararan’ny
lalàna) zavatra anankiray ». Farafaharatsiny anefa dia mahalala ny adidiny
sy mahay mifanaja ary mandray anjara amin’ny fiainam-pirenena ny olona iray vao
tena tonga olom-pirenena vanona.
Raha ny tantaran’i Madagasikara no arahina, tsy tokony ho hevi-baovao ho an’ny olom-pirenena Malagasy ireo rehetra ireo.
Ny
adidy tsy an’olon-dratsy
Ohabolana diso haintsika loatra io eo ambony io. Nampiasain’ny Ntaolo razantsika
mba hamporisihana antsika raha mitady hidify ny andraikitra ka tsy hanefa ny
adidy na kamokamo noho ny fitadiavana tombotsoa manokana.
Tamin’ny andro nitondran’Andrianampoinimerina, mba hampilamina ny tany, dia nomeny adidy ny olona. Nataony ho andraikitry ny fokonolona mihitsy ny miady amin’ny karazan-jiolahy toy ny mpijirika sy ny mpangalatra ary ny mpandroba.. Hoy ny Ombalahibemaso
:”Tsy mahazo mitoe-poana miharitra ny hadalan’ny
mpanao ratsy ny vahoaka fa tsy maintsy miara-misalahy hanafoana ny fijirihana
sy ny fandrobana” ary “Raha adala dia raharahan’ny amabnilanitra ny manosika
azy fa tsy mampandry ny tany sy ny fanjakana”
Ity karazan’adidy nanaovan’ Andrianampoinimerina teny hentitra ity,
dia iraisan’izao tontolo izao satria na
tany aiza na tany aiza ary na fitondrana inona na fitondrana inona dia miady
amin’ny asan’ny mpanao ratsy avokoa.
Raha fehezina ity adidy voalaza ity dia tsy inona fa ny fiaraovana ny
tanindrazana mba tsy hanjakan’ny ratsy.
Fa anisan’ny nandidian’Andrianampoinimerina ny vahoaka koa ny tsy maints hiasany. Noraisin’ity Mpanjaka ity ho “adidy” aloha ny namatsy fitaovana ny tsy ampy fivelomana, tamin’ny fanomezana azy angady isan’olona. Adidy miteraka adidy anefa io fanomezana io satria nanery ny olona hiasa
“Tsy misy mana-maina” hoy Andrianampoinimerina ary “Mba miasa hanana”
Mifanadrify amin’ireo tenin’ny Mpanjaka ireo, ireto
ohabolana manaraka ireto:
“Tongo-dava ahitan-kanina”
“Toto vary tsy vita tsy an-daona”
Ramasinirina
(Meteza ho olom-pirenena vanona)