Mahavariana ihany ny fitondrantenan’ny Malagasy sy ny fitsipika hitondrany
azy amin’izao vanim-potoana iainantsika izao…
Indraindray toa diso
fiheverana ihany ny manampahaizana Malagasy rehefa milaza ho mitondra vahaolana
ho an’ny mpiray tanindrazana aminy. Misy amin’izy ireny no nandalim-pahaizana
fa ao koa ny mahay manaka-kevitra ary mampifandray izay hevitra hitany tany
anaty boky mitahiry fahalalana tany, amin’izay inoany fa fototry ny tsy
fandrosoana na ny fisalasalana iainan’ny vahoaka. Tsy mety voarain’ny
sarababem-bahoaka anefa ireny hevitra voizina ireny satria toy ny voalazan’ity
ohabolana ity ny akony:
Io ohatra io dia nilazana ny olona tsy mitondra
zava-baovao akory satria dia ny efa nisy ihany no entina aseho ny olona. Ny “nato”
dia karazan-kazo nakan’ny Ntaolo loko, fahiny, ary any antsinanana no misy io
karazan-kazo io. Mahatsikaiky sy toa sampona ihany raha toa hakany antsinanana
ny olona iray ka hitondra io “nato” io nefa any no tena misy azy. Moa va tsy
izany no ataon’ny ankamaroan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Nalaza ho
loharanom-pahendrena isika Malagasy. Tsy nampiasaintsika firy ireo hevitra
mahasoa nofonosin’ny “fanahy no olona” fa aleontsika manandrana ny an’ny hafa
izay hafa ny fototra ijoroany koa mainka moa fa ny fampiharana azy.
Noho izany, matetika ny manam-pahaizana Malagasy no toy ity voalazan’ny ohabolana manao hoe ity:
Androngo milanja lolo : be am-pitondrana fa kely am-pihinanana
Ity oha bolana
faharoa ity dia nanondroana ny
toetr’olona izay toa tsy arakaraky ny fisehoana ivelany, mivelabelatra toa lolo,
ny lanjambidin’ny ezaka nataony na ny zava-bitany. Azo ampifandraisana koa
amin’ilay finiavantsika te hampandroso ny fiainantsika io ohatra io. Mivelabelatra
aok’izany ny hevitra tiana entina hampandrosoana ny firenena kanefa .zara rah
any iray ampahafolony no azo ampiharina sy azo tanterahina!
Ny fahitana izay fahadisoam-piheverna izay no manosika
ny olona sasany hilaza fa :
Eo no hanairana ny ambopontsika mianakavy. Dia ho
sanatria ve ho alaim-panahy haka ny toeran’ny fotsifotsy fanahy ka hinia tsy
hijery afa-tsy ny tombotsoa kelin’ny tena? Koa meteza ho olom-pirenena vanona
Itodiho ny fahendren-drazana. Ny ombalahibemaso koa mba manana ny
fitsipi-pitondrantena navelany ho lovaintsikan fa isika no toa miavo-tsy feno!
Tondraka anio manan-jara, izay ampitso ka ho hitanao:
Fitenin' ireo manaram-po indray andro amin' ny be ananany fa tsy miraharaha na mitsinjo izay ho avy Misolo voina ny akalana ka mikapa hena ambony fe: Enti-milaza ny olona manao mosalahy izay tsy manahy kely akory ny zavatra mety hahavoa azy.
Bibilava vonona: tsy tongotra hitsipaka, tsy tanana handrangotra, fa Andriamanitra no andrasana
: Entimilaza ny
fisian' ny tody, na koa ny fomban' Andriamanitra an' ireo malemy sy osa, izay tsy
manan-kanoherana ireo mpanao tsindry hazo lena na kely tsy mba mamindro
Enti-milaza ny olona osa na madinika na mahantra
izay tsy mba afaka hamaly amin' ny herin' ny tenany raha misy mamely azy fa
Andriamanitra no antenainy hamaly izay mampahory azy Marina ka mamaly ny ratsy sy ny tsara.
METEZA HO OLOM-PIRENENA VANONA! Natolotry RAMASINIRINA