FANDRAISANA ANJARAN’NY OLOM-PIRENENA AMIN’NY FIAINAM-PIRENENA
« Ao anatin’ny Firenena demokratika dia manapaka
ny maro an’isa, manan-jo ny vitsy an’isa. Mana-jo hanapaka ny maro an’isa nefa
voaaro koa ny zon’ny vitsy an’isa». Io foto-kevitra hijoroan’ny demokrasia io dia
tsy vaovao amin’ny fahendrena Malagasy satria ny ohabolan-drazan-tsika dia
manamarina fa efa ela no nifanaja sy nifampitsimbina ny fiaraha-monina Malagasy.
Ny hoe « aza mandidy dia homana»,
Dia tsy inona tsy
akory fa fankatoavana ny hevitry ny maro an’isa sy fitsipahana ny didy jadona
mety hiseho eny anivon’ny fiaraha-monina ka mety hiitatra eny amin’ny
lafim-pitondrana no nampiasana io fomba fitenenanana io. Hoy ihany ny
ohabolan-drazantsika hoe:
Aza hanaovana didy boraingina Ralaikamboty.
Mba hanakanana ny
mpanapa-kevitra tsy hanao didin’ny be sandry amin’ireo madinika ao anatin’ny
fiaraha-monina koa no namoahana ity karazam-pitenenana ity;
Mahakasika ny fifmpitsimbinana
sy ny fifanajana indray dia hoy ihany ny
ohabolantsika hoe:
Aoka atao vero am-bala: ny lava tsy hanosihosy ny
fohy, ny fohy tsy hamingana ny lava
Raha ireo rehetra ireo no akapoka ho iray dia azo
ambara fa tsy tokony ho vaovao amin’ny foto-pisainana Malagasy ny “demokrasia”,
saingy ny tsy ahazakan’ny maro azy amintsika amin’izao fotoana izao dia, satria
tsy nisy nampianatra antsika handala intsony itony fahendrena nifotoran’ny “fanahy
no olona” itony.
Matetika aza isika rehefa miresaka eny anivon’ny
fiaraha-monina eny dia miteny mandrakariva hoe “ranona tsy mahatanty
demokrasia”. Zary ataotsika tsianjery maimbo fotsiny anefa io fitenenana io
satria isika milaza izany indrindra no tsy manaja ny hevitry ny hafa matetika,
na koa tsy mety hiady hevitra akory fa mikombo-bava na dia efa hitsahan’ny sasany hatrany an-tampon-doha
aza! Dinidiniho àry ity ohabolana ity dia hamarino ny dia:
Raha izy no mahandro patsa, tsy maninon-tsy maninona,
fa raha izahay no mitono toho, dia ovany ho mandany laoka