IZA MOA I PAULINE RABEHASY

PAULINE RABEHASY :  NY NANOMBOHANY

Rasoarinera Pauline no tena anarany tao amin’ny soram-piankohonana, rehefa nanambady izy dia nitondra ny anaram-badiny, ka lasa Pauline Rabehasy.  

PAULINE  RABEHASY : MPANAO TEATRA

Efa nilalao teatra tao amin’ny Tropy Jeannette, tarika  noforon’i Andrianary Ratianarivo izy.

Namorona tantara azo lalaovina an-tsehatra ihany koa izy, anisan’izany ilay nampitondrainy ny lohateny hoe : «  liandraha ».  

PAULINE RABEHASY : MPAMORONKIRA

Vitsy ny mpihira vehivavy no namoron-kira. Maro iro sangan’asan’i Pauline Rabehasy no tsy afaka ambavan’ny maro toy ny : “Lolona sy Fanja”, “ Veloma ry Iarivo”, ireo hira roa ireo dia nokaloiny niaraka tamin’i Gabhy, izy ihany koa no nanomorona ny hira “Eto an-davarangantsika,” nohirainy niaraka tamin’i Harison. Santionany ireo fa mbola maro tsy voatanisa ny sanganasany.

 PAULINE RABEHASY : MPIHIRA

Ankoatra ny famoronana dia nihira ny sangan’asan’ireo mpamoron-kira sangany maro izy. Niara nihira tao amin’ny tarika RR Majunga sy Ossy izy, Line no anarana nentiny tamin’izany. Nikalo ny sangan’asan’i Stormy sy Rolland Raelison ihany koa i Pauline Rabehasy. Gabhy sy  Romule ary Robert Ramisarivo hatrany no nampiara-peo taminy tamin’izay.

Anisany nahafantarana azy koa ny hira nitondra ny lohateny hoe : “Natory, Fitiavana roa, Henoy, Ny fo efa tia, Ny Ankany , Ho anao irery ihany”.  

PAULINE RABEHASY : NONINA TANY IVELANY

Tamin’ny faramparan’ny taona fitopolo no niala teto an-tanindrazana i Pauline Rabehasy, ka nifindra tany Frantsa namonjy ireo zanany. Taorian’izay dia indroa ihany izy no nandalo teto an-tanindrazana, nanao fampisehoana. Tamin’ny taona 2008, dia nankalaza ny faha 85 taonany niaraka tamin’ireo taranany sy ireo mpanankanto Malagasy maro tany Frantsa izy.  

PAULINE  RABEHASY SY NY FEON’IMERINA

Efa tany Frantsa i Pauline Rabehasy vao nandeha ny Radio Feon’Imerina tamin’ny taona 1998. Na izany aza anefa dia heno isan’andro ny feony sy ny sangan’asany, amin’ny alalan’ireo horonampeo tahirin’ny Feon’Imerina ary anisan’ireo be mpangataka ny hiran’i Pauline Rabehasy. 

Ny Alahady 12 Septambra 2010 no nodimandry tany Marseille i Pauline Rabehasy.

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-02-28.

Miverina
footer-frame