RATSIMANDRAVA 89 TAONA

Ny Alatsinainy 21 Martsa 2021 no feno sivy amby valopolo taona ny nahaterahan'ny Kolonely Ratsimandrava, Filoham-pirenena maty teo am-perinasa, dimy andro taorian'ny nandraisany ny fahefana feno nitondra ny tany sy ny fanjakana.

Nisy ny hetsika nampitondraina ny anarana hoe « Diabe alaolana » izay notontosaina tetsy amin'ny tranompokonolona Analakely nampahafantarana ny zava-bitan'ny Kolonely Ratsimandrava Richard.

NY NAMPIAVAKA NY KOLONELY RATSIMANDRAVA

Manamboninahitra nandalo fiofanana maro ny Kolonely Ratsimandrava. Tao amin'ny tafika malagasy izy no nafindra tao amin'ny Zandarimariam-pirenena malagasy. Eo amin'ny maha miaramila azy dia nijoro hatrany tamin'ilay teny filamatra hoe « ho an'ny tanindrazana » sy ny fiarovana ny vahoaka ary ny fananany. Nataony vain-dohandraharaha tao amin'ny fitantanana ny zandarmaria ny tsy hiverenan'ny fomban'ireo « garde indigène » taloha izay razamben'ny zandarmaria , ka nitondra ny malagasy ho « indigène ».

Ny volana Mey 1972 izy no notendren'ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel ho Ministry ny Atitany. Maro ireo faritra noteteziny tamin'izany, hatrany amin'ireo sarodalana indrindra, nisy tamin'ireo toerana notsidihany no nalehany tamin'ny dia tongotra. Nifampitafa mivantana tamin'ny vahoaka izy, izay no niantsoana azy tamin'izany hoe ministry ny alaolana.

Ny Kolonely Ratsimandrava no namerina indray ny rafitra fokonolona, izay fomba nampandraisana anjara ny olom-pirenena ho tompony manao, fa tsy mpiandry baiko na toloram-potsiny.

Nataony vain-dohandraharaha ny fampanjakana ny fandriampahalemana na an-tanan-dehibe na ambanivohitra.

Ny tsy azo adinoina ihany koa dia ny fahalalahana teo amin'ny fanehoan-kevitra, foana tanteraka ny sivana teo amin'ny fampahalalam-baovao tamin'ny fotoana nitondran'ny Kolonely Ratsimandrava ny ministeran'ny ati-tany. Ny Radiom-pirenena aza afaka nitatitra ny lohatenim-baovao tamin'ireo gazety nivoaka .

AIZA DAHOLO IZANY ANKEHITRINY ?

Raha miaina ny zava-misy ankehitriny dia toy ny angano na lainga ny fitantarana ny zava-bitan'ny Kolonely Ratsimandrava, satria ny mifanipaka tanteraka no iainana ankehitriny.

Miaina ao anatin'ny horohoro tanteraka ny mponina an-tanan-dehibe na ambanivohitra, tsy misy ny fandriampahalemana, miparitaka eny rehetra eny ny fitaovam-piadiana, na ny fandehanana eny amin'ny lalam-pirenena aza miteraka olana ankehitriny, ankoatr'ireo mahazo laka ny fanambakana amin'ny endriny samihafa.

Ireo mpitandro filaminana natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany lasa fitaovana politika miaro ny mpitondra fotsiny, na miaro ny fananan’ireo tranombarotra goaibe.

Ny fokonolona anaran-tsy very sisa fa lasa mpanantanteraka izay tian'ny mpitondra.

Ny fahalalahana maneho hevitra dia zary fihetsiketsehana ivelany no betsaka, fa izay sahy mijoro dia voakapa amin'ny fomba maro samihafa.  Ny haino aman-jerim-panjakana dia mikatona ho an'ireo tsy mitovy hevitra amin'ny mpitondra. 

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-02-28.

Miverina
footer-frame