Tsy
zava-baovao teo amin’ny fiainan-janak’olombelona ny fahantrana sy ny tsy
fahampiana. Mampikorontana ny fiaraha-monina ny felanelana be loatra misy eo
amin’ny samy mpiara-belona, ary nahalala tsara an’izany ny Ntaolo ka izay no
nampirindrany ny fiainan’ny samy mpiara-belona.
“Malahelo mivoaka
maraina, ataon’ny olona hangalatra, mivoaka hariva ataon’ny olona hisakana”.
Ankoatra ny ahiahy ateraky ny tsy fahampiana dia misy koa ny fanilikilihana ataon’ny mpiara-belona, toy ny lazain’ny ohabola ity manao hoe:
“Sola malahelo tsy mba rangahy”.
Ireny toetra mifampiahiahy na
mifamotsifotsy ireny no ahitsin’ny fanahy no olona. Araka ny hevitry ny Ntaolo
dia tokony tsy ho onjoonjon’ny sahirana irery ny fiainana. Kodiarantsarety ny
fiainana ka mety mbola hifamadika ny toeran’ny ory sy ny manana, izany
indrindra no tokony hifampitsinjovana.
Tamin’ireo nitondra teto
Madagasikara dia Andrianampoinimerina no voasoratra anatin’ny tantara fa nanana
politikam-pitantanana nandrindra ny fitondrany mba hampifanaraka ny ory sy ny
mpanana. Tsy mahazo mifampialona ny olona fa tokony hifanotrona mandrakariva
ary nafarany mba hanao valin-tanana. Lalàna hitovian’ny mpanankarena sy ny
mahantra io ary tsy azo n’iza n’iza hialana. Tsy nekeny koa ireo kamo manao lava lamosina sy mitady tany malemy hanorenam-pangady.
Tsy mba anisan’ny tokony ho ampiana ny olona tahaka izany ary dia navoitra tao anatin’ny ohabolana mihitsy:
“Raha manao no tsy ambinina, ampisambory fa havan’ory, fa raha miraviravy tanan-tsy hiasa, avelao hivarina amin’ny tany”.
Nohamafisin’ny Ntaolo tsara mihitsy fa :
“Tsy miaraka ny fandria-maraina sy ny valala manatody”.
Ary marina loatra io satria tsy
maintsy mihetsika vao mahita izay harapaka any am-bava, araka ny hoe:
“Tongon-dava ahitan-kanina”.
N’inon’inona araka izany kasaina atao dia tsy vitan’ny hevitra sy ny tombatombana fa tsy maintsy arahin’asa hatrany hatrany fa:
“Ny totovary tsy vita tsy an-daona”.
METEZA HO OLOM-PIRENENA VANONA (Ramasinirina)