22 FEBROARY 1946


Manan-tantara ny 22 Febroary 1946 teto amin'ny firenentsika, indrindra teo amin'ny tolom-pahafahana sy ny fivoahana tamin'ny fahasahiranana nanjo ny firenena,

Rehefa vita ny ady lehibe faharoa (1939 -1945) nanampiantsika malagasy ny frantsay ara-tafika, ara- pitaovana sns, dia nahatsapa tena ireo tia tanindrazana malagasy, tamin'izany fa tonga ny fotoana, tokony nijerena amin'izay ny mahasoa an'i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy. Tapa-kevitra ireo malagasy nianatra sy niasa tany Frantsa, amin'ny fananganana antoko politika, nahazoana nitaky ampahibemaso ny fahaleovantenam-pirenena. Nijoro ary nahazo ny fankatoavana ara-dalana avy amin'ny fanjakana frantsay ny antoko MDRM (Mouvement Démocratique pour la Rénovation Malgache) ny 22 Febroary 1946, tao Neuilly (Frantsa) no foiben-toerany. Ny Dr Raseta Joseph, Dr Ravoahangy Andrianavalona, Dr Rakoto Ratsimamanga, Andriamatoa isany Rabemananjara Jacques, Rabemananjara Raymond William sy ireo namany maro no niara nanangana ny MDRM. Tany Frantsa no niorina ny MDRM, saingy vetivety dia nahazo faka taty an-tanindrazana ary nieli-patrana nanerana ny nosy manontolo. Manana ny anjara-toerany teo amin'ny tantaram-pirenena ny fijoroan'ny MDRM nanomboka tamin'ny 22 Febroary 1946 nijoroany ka hatramin'izao andro iainantsika izao.

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-02-08.

Miverina
footer-frame