Iza moa i Rabehasina Gabriel na Gabhy iray tamin’ireo Kintana telo ?
MPISEHATRA SY MPIHIRA
Ny 04 Martsa 1933 no teraka tany Fianarantsoa i Rabehasina Gabriel
mitovy tsingerintaona nahaterahana amin’ny Jean Joseph Rabearivelo i Gabhy.
Niakatra teto Antananarivo izy ny taona 1949, ny teatra no nanombohany
nilalao tao amin’ny tropy Telonohorefy izay notarihan’i Justin Rajoro,
nisehatra ihany koa tao amin’ny tropy Rosaflury, ny tropy Imaintsoanala ary ny
tropy JJ Tseheno.
Nanomboka tamin’ny 1958 dia teraka ny antsoina hoe « Gala de Chant
na Rindran-kira », dia ilay fampishoana hira ranofotsiny tsy ao anatin’ny
tantara. Maro ireo mpamoron-kira naka an’i Gabhy hikalo ny sangan’asany toa
an’i Noelson Lalao, Ramano, Louis Rasoanaivo, Roland Raelison, Ramaroson
Wilson, Gilles Ramiarison, Dany Ranoa, Rakotondrazafy Jean Jacques, Fred
Raolifahanana, JJ Tseheno, Momonjaona, André Titys, Ratsaramiafara Jean.
Maro ireo sangany no nampiaram-peo tamin’i Gabhy, ny lehilahy nahitana an’i Ossy, André Titys, Romule, Gilles Ramiarison, Gigi Bernard Randrianarison, Salomon, Roussel, ny vehivavy indray, Célestine, Henriette, Fara, Pauline Rabehasy, Flheur, Mbolontsoa Nelle, Zety, Mely,Razay, Mavoarisoa, Sahondra Lily, Lizah. Manavanana an’i Gabhy avokoa na hiran’olon-tokana, na olon-droa, na olon-telo, na ny rodobe, ny feo rehetra afa tsy ny beso.
NY KINTANA TELO SY NY TARIKA GABHY
Tamin’ny taona 1983, Aubry avy ao amin’ny tarika Mahefa no nanana
hevitra hampiakatra an-tsehatra miaraka an’i Gabhy, Romule, sy Salomon. Feno
hipoka ny trano tamin’ny fampisehoana voalohany.
Kintana Telon’i Madagasikara no anarana nofidian’ny mpikarakara taorian’io dia tsy afaka intsony ilay anarana, maro ireo mpikarakara fampisehoana no mitaky ny fiakaran’izy telolahy miaraka an-tsehatra, tsy teto Madagasikara ihany fa tonga hatrany Frantsa, Korea Avaratra ny Kintana telo. Na dia eo aza ny Kintana Telo dia samy nanana ny mpihirany sy ny mpitendriny izy telolahy ary samy afaka mandeha mitokana na koa miara-mihira amin’olon-kafa. Gabhy dia nanana ny tariny, ka Lizah no mpihira raikitra niaraka taminy hatramin’ny nijoroan’ny Kintana Telo, Randrianarisoa Michel sy NR Raseta kosa no mpitendry zava-maneno naharitra indrindra tao amin’i Gabhy.
NY NAMPIAVAKA AN’I GABHY
Rehefa hiaka-tsehatra i Gabhy dia tsy maintsy manao fitafiana
mianjaika, ho fanajana ny zava-kanto sy ny mpijery no anton’izany hoy ny
fanazavana.
Na amin’ny fiainana andavan’andro aza dia tsy miala palitao sy karavato
i Gabhy, mbola fanomezan-danja y mpanankanto ny dikan’izany.
Sarotiny i Gabhy eo amin’ny famerenan-kira ary rehefa fampisehoana dia
tsy azo am-pifamadihana ny nandaharany ny hira.
Ny tononkira sy ny nandrindran’ny mpamorona ny hira dia tsy eken’i Gabhy ny hanovana na
hikitihana azy, efa maro ireo mpikarakara lanonana niantso an’i Gabhy hihira
amin’ireo fampisehoana izay manova ny hira amin’ny tsy tokony ho izy. Nolavin’i Gabhy daholo izany na dia
nanamby vola be aza.
Eo amin’ny fitondran-tena indray dia
tsy mikasika zava mahadomelina, tsy
misotro kafe, tsy mihinan-tsakay i Gabhy, ireo mpiara mihira sy
mpitendriny koa dia manaraka izany.
Fa tsy mpihira fotsiny i Gabhy, fa sady mamorona ny feony no manoratra ny tonony, mpikambana mavitrika teo amin’ny Havatse Upem izy.
GABHY SY NY FEON’IMERINA
Vao misokatra ny Radio Feon’Imerina
ny maraina dia ilay hiran’I Ratsaramiafara mitondra ny lohateny hoe: “”Haody ry
Analamangako” no heno voalohany, Gabhy no manao ny fasin-kira ao anatin’io, Célestine
sy Henriette ary Gigi, Tseheno kosa no mitendry ny hira.
Gabhy no mpanankanto nanantona voloalohany
ny Radio Feon’Imerina, izy ihany koa no manana ny sangan’asa maro eto amin’ny
Feon’Imerina.
Nandray anjara hatrany i Gabhy tamin’ny fampisehoana maro nokarakarain’ny Radio Feon’Imerina, Tamin’ny fankalazana ny faha-roapolo taonan’ny kintana telo sy ny faha 55 taona niakaran’i Gabhy an-tsehatra dia ny Feon’Imerina no mpampahalala vaovao navitrika indrindra.
Ny Sabotsy 07 Febroary 2009 dia
narary i Gabhy voatery nampidirina Hopitaly. Nandray andraikitra ny
Feon’Imerina tamin’ny fanatontosana ny fampisehoana hitadiavam-bola nitsaboana
azy. Noraisin’ny Feon’Imerina an-tanana ny fikarakarana ny taratasy
fahazoan-dalana teny amin’ny kaominan’Anatananarivo Renivohitra. Nomen’ny PDS
Guy Rivo Randrianarisoa maimaim-poana ny tranompokolona Isotry.
Tamin’ny Alarobia 25 Aogositra dia
nampidirina hopitaly indray i Gabhy, nandray adidy ny Feon’Imerina nanao antso
ho an’ireo mpankafy ny kanto mba samy hitondra ny anjara birikiny amin’ny
fitsaboana azy.
Feon’Imerina no radio mandeha ao
an-tokantranon’i Gabhy, ary Radio Feon’Imerina koa tsy maintsy mandefa hiran’i Gabhy.
Ny azy rahateo no be mpangataka
indrindra amin’ny antso an-tariby.
Nodimandry ny 21 aogositra 2010 I
Gabhy, ka vahoaka maro no tonga nanome voninahitra azy, nanomboka teny amin’ny hopitaly
Soavinandriana, tetsy amin’ny tranompokolona Analakely, teny am-piangonana FJKM
Anosipatrana, teny Ilanivato fasan-drazany.
Tehaka mirefondrefotra no
nataon’ireo mpanotrona satria izany rahateo ny hafatra napetrany. Ny mpitondra
nifandimby dia samy nanome mariboninahitra azy avokoa. Nomena azy farany ny
Grand Croix de deuxième classe, mari-boninahitra efa vonona hatramin’ny taona
2008 saingy niandrasana ny tsingerintaona fahaenimpolo niakarany an-tsehatra ny
fanolorana azy saingy tsy izany ny lahatra.