IZY NO IZA? ROBERT ANDRIANTSOAVINA

Iray amin'ireo sangany teo amin'ny famoronan-kira i Robert Andriantsoavina. Sokajin-kira roa no nahafantarana azy dia ny hira fitoriana sy ny hira madinika

NY HIRA FITORIANA

Tao amin'ny FJKM Tranovato Faravohitra no nivavaka ny fianakaviany, tao amin'io fiangonana io i Robert Andriantsoviana hatramin'ny fahakeliny ka hatramin'izao nahalasanany izao. Nandalovany tao ny sekoly Alahady , ny tily , ny sampana tanora, ny antoko mpihira, ny fitantanana sns

Tamin'ny taona 1956 izy no nanomboka nampianatra « hazo Noely » tao amin'ny Tranovato Faravohitra, niaraka tamin'ireo namany vitsivitsy. Noho ny fitiavany hira dia namorona Antoko Mpihira kely izy nantsoina hoe « Voatsinampy » tao amin'ny FJKM Tranovato Faravohitra ihany

Tamin'ny taona 1959 dia nisy ny tondra-drano lehibe nanafotra ny tananan'Antananarivo, voatery namonjy toerana avo ny olona tamin'izany. Nisy ireo tanora vitsivitsy tao amin'ny antoko mpihira « Voatsinampy » nalain'i Chef Randria, mpitarika tily fanta-daza, niaraka taminy namorona ny antoko mpihira « Amboaram-peo » anisany tao anatin'izany i Robert Andriantsoavina

Maro ireo hira noforonin'i Robert Andriantsoavina tao amin'ny Amboaram-peo, saingy lohateny vitsivitsy no atolotra anao toy ny : Misaora an'i Jehovah, Teraka Jesosy, Gologota …

Tamin'ny fandehanan'ny Amboaram-peo Faravohitra tany Etazonia tamin'ny taona 1973 dia anisany nohiraina tany ny sangan' asan'i Robert Andriantsoavina , niampy ireo hiran'ny tarika  Ny Antsaly

Mpitendry zava-maneno sy mpampiofana ireo mpitendry tao amin'ny FJKM Tranovato Faravohitra i Robert Andriantsoavinasy ny ny rahalahiny Remi Andrinatsoavina. Marihina fa havanana izy mirahalahy eo amin'ny fitendrena ny Orga ao am-piangonana, satria ilaina fahaizana manokana izany, fa tsy toy ny synthétiseur mahazatra, maro ireo tanora nampiofanina tamin'izany

NY HIRA MADINIKA

Ivelan'ny fiangonana dia namorona hira madinika ihany koa i Robert Andriantsoavina. Nisy ny tarika antsoina hoe RCD noforoniny, ka ny RCD dia anaran'ireo mpihirany Rolland Claude Dolly Dédè

Nisy ny santionan'ny hira noforoniny tamin'izany nampitondrainy ny lohateny hoe : Mena masoandro eo andrefan-tanana ka ny RCD sy ny vadiny no nikalo izany, ny hira Arahaba ririnina mbola ny RCD sy ny zanak'i Robert Andriantsovina, Josoa Andriantsoavina no nikalo izany hira izany

Ny rahalahiny Remi Andriantsoavina dia niara niasa taminy hatrany teo amin'ny fitendrena sy famoronana. Nandray anjara tamin'ny fifaninanana hira madinika izy mirahalahy. Maro ireo mpanankanto ao amin'ny fianakaviany ,ny zokiny Aimé Andriantsoavina efa maty dia mpihira niaraka taminy koa, ny zanany lahy dia efa mpitendry hatry ny ela ary i Dadavy ilay mpanao hatsikana dia zana-drahalahin'i Robert Andriantsoavina

Maro ireo mpanankanto nikalo ny sangan'asan'i Robert Andriantsoavina toa an'i Fara, Lalao Rabeson, Perle, Salomon, Tovoson, Lala sy Bakoly, Lizah Raseta sns

Tsy vitsy ireo hirany no tsy afaka am-bava sy an-tsofin'ny mpankafy hira, indrindra fa ny mpihaino ny Radio Feon'Imerina, saingy tsy fantatra hoe izy no namorona azy fa saron'ny anaran'ny mpihira toy ny :  Fehezambonikazo, Anilan'ny fo, Nantsoiko, Ny tiako , Ka tsy hahalala …

Teo amin'ny faha 82 taonany no lasa i Robert Andriantsoavina, ny Alarobia 12 Janoary 2011 no tsingerintaona nahaterahany, tamin'io andro io no nandevenana azy. Maty namela mamy izy satria ny sangan'asany dia mipetraka ho ankafizin'ny taranaka fara aman-dimby . Ny zanany lahy Josoa Andriantsoavina no mpandimby azy eo amin'ny fitendrena, i Josoa no nanaraka an'i Ratovoson Emile na i Tovoson , ilay zokiolona indrindra tamin'ny fifaninanana kalon'ny fahiny nokarakarain'ny Radio Feon'Imerina andiany faharoa, ny sangan'asan' i Samuel Rahamefy sy Andrianary C.N no nifaninanana tamin'izany. Marihina fa nisy ny loka fankasitrahana manokana natolotra ho an'i Tovoson tamin'izany.

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2021-02-08.

Miverina
footer-frame