Fombantsika malagasy ny mitsena ireo
maherifontsika tonga avy any ivelany, efa hatramin'izay mihitsy. Mety ho olon-tokana izany na andian'olona, ny anton'ny fitsenana dia
mazava ho azy fa fankasitrahana ny zava-bita sy fanomezam-boninahitra. Indro atolotra anao santionany
tamin'ireo fitsenana efa nataon'ny vahoaka.
IREO MIARAMILA NIADY
Maro ireo miaramila malagasy nalefa tany
an-dafy nanampy ny frantsay tamin'ny ady lehibe voalohany ( 1914-1918) sy ady
lehibe faharoa (1939-1945) sy ny ady hafa toy ny tany Alzeria sns. Rehefa vita
ny ady dia mody soa aman-tsara an-tanindrazana ireo miaramila sisa tsy maty.
Tonga maro nitsena azy ireny tany amin'ny seranan-tsambo tany Toamasina, na
teny amin'ny Garan'i Soarano ny vahoaka malagasy, Ny mampalahelo anefa
tamin'izany, dia misy ireo fianakaviana taty an-tanindrazana tsy mahalala hoe
maty na mbola velona ny havany, fa dia tonga mitsena fotsiny, raha hitany eo
moa dia velona soa aman-tsara izany dia arahabaina, raha tsy tonga kosa dia
hafoy toy ny maty rehetra.
TAMIN'NY 1960
Rehefa nambara fa hiverina ny fahaleovantena
tamin'ny taona 1960, dia fitsenana goavana no natao an'ny Filoha Tsiranana
Philibert tonga avy any Frantsa izay nambara fa « rain'ny fahaleovantena »
Ny volana Jolay 1960, efa niverina ny fahaleovantena, no nampodiana
an-tanindrazana izy telo mirahalahy mpitarika ny MDRM, izay nalefa sesi-tany
tany Frantsa dia i Dr Raseta Joseph sy Dr Ravoahangy Andrianavalona sy
Rabemananjara Jacques. Vahoaka marobe no tonga nitsena azy telolahy teny
amin'ny seranam-piaramanidina, mbola teny Arivonimamo tamin'izany
Feno olona ny lalana nolalovana hatraty
Antananarivo
TAONA 1970
Narary ary notsaboina am-bolana tany amin'ny
hopitaly « La Salpetrière » tany frantsa ny Filoha Philibert
Tsiranana rehefa sitrana izy, ka nody an-tanindrazana dia vahoaka marobe no
tonga nitsena azy teny Ivato. Ny taona 1970 ihany koa dia nahazo ny fandresena
tamin'ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika ny mpilalao Basket ball zazavavy
malagasy. Vahoaka marobe no tonga nitsena azy ireo teny Ivato.
TAONA 1973
Nisy ny fanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa
Frantsay sy Malagasy. Ny Ministry ny Raharahambahiny tamin'izany, Ratsiraka
Didier sy ny Ministry ny Toekarena sy Fitantanam-bola tamin'izany Ramaroson
Albert Marie no nitarika ny delegasiona teo amin'ny fifampiraharahana
Vita tany Frantsa ny fanaovan-tsonia ilay
fiaraha-miasa nasiam-panavaozana. Nody ireo delegasiona ary notsenaina
tamim-boninahitra teny amin'ny seranam-piaramanidina teny Ivato, ary hatraty
Antananarivo dia feno olona nihoby azy ireo
TAONA 1989
Tonga teto amintsika ny Papa Joany Paoly II
tamin'ny taona 1989. Sambany teo amin'ny tantaram-pirenena no nisy Papa ray
masina, Filoha ambonin'ny Eglizy Katolika Romana tonga teto amintsika. Tonga
nitsena sy nihoby ny Papa avokoa ny kristiana katolika maro teto Antananarivo
sy manerana an'i Madagasikara, marihina fa tsy ny mpino katolika ihany fa ny
malagasy rehetra mihitsy.
TAONA 1996
Tsy lany filoham-pirenena Andriamatoa Ratsiraka
Didier tamin'ny taona 1993, nifindra monina tany Frantsa ny tenany. Tratran'ny
fampiatoana ny Pr Zafy Albert ka voatery tsy maintsy hisy indray ny fifidianana
filoham-pirenena
Nody an-tanindrazana Andriamatoa Ratsiraka
Didier ny volana Aogositra 1996 fa hilatsaka hofidiana indray, tonga nitsena
azy teny Ivato ireo mpomba azy.
NY 19 FEBROARY 2011
Ny Sabotsy 19 aprily 2011 no nandrasana teny
Ivato ny Filoha Ravalomanana Marc. Nosakanan'ny Fat tsy hiditra eto anefa ny
fiaramanidina nitondra azy.
Ny azo lazaina dia hipoka tanteraka ny lalana
avy any Talatamaty hatreny anoloan'ny fidirana amin'ny seranam-piaramanidina. Tsy
tonga izy, ary maro ireo nalahelo, betsaka no tezitra.
NY 14 JOLAY 2019
Nakotrokotroka tokoa ny fitsenana ny BAREA, mpanao baolina kitra Malagasy
avy nanao fifanintsanana tany Le Caire, ary tsy raraka raha tsy teo amin’ny
ampahefa-dalana. Mbola tsy nisy hamaroan’ny olona tonga nitsena toy izany
hatramin’ny 59 taona lasa hoy ireo mpitantara. Hatrany Ivato, Tsarasaotra,
Ivandry, Akorondrano,Antanimena, Analakely, Ambohidahy, Mahamasina dia rakotra
vahoaka.