Amin’izao
fiandohan’ny taona izao no fanehoam-pihavanana. Matetika anefa isika no
solafaka fa manao fitondra-mitanila rehefa maneho fihavanana. Anarin’ny Ntaolo
àry isika ka ilazany hoe:
Aza atao toy ny
fively amponga ny fihavanana ka ny iray ambaviny tambatambazana, ny iray
andahiny dobodobohana
Ny amponga dia
nanan-danja tamin’ireo zava-maneno teto Imerina. Izy no manome ny bàn-kira. Ny
antsika ny mozika dia ny firindrany no tena zava-dehibe satria nampitoviana
tamin’ny firindran’ny fiarahamonian. Ny mozika no namindra ny fahalalahana sy
ny soatoavina tamintsika taranaka. Nitahiry ny tantarantsika koa ny mozika.
Amin’ny zava-maneno misy tadiny ohatra dia ny be feo no ambaviny. Amin’ny
amponga dia ny lafiny iray ambaviny , ny iray andahiny. Noho ny fandrindrana ny
feo dia ny iray velezina mafy ny iray kosa velezina somary malemilemy. Tsy azo
atao toy izany ny fihavanana satria eo amin’ny fiaraha-monina, mifandrindra ny
lahy sy ny vavy. Ny Ntaolo Malagasy dia efa nahalala ny mira lenta. Aza
adinoina fa ny reny no mpitaiza ny taranaka ka matetika mifandray kokoa amin’ny
Havana ny lafin-dreny. Adidin’ny reny no mampianatra ny zanany tsy hanahaka ny
amponga ka hanisy tombo sy hala amin’ny Havana satria tsy mahatsara fihavanana
izany. Raha tiana ho olombanona ny taranaka, ampianarina manaja ny andaniny sy
ny ankilany.
Hoy
ny ohabolana:
Tsy misy tombo sy
hala : fa ny iray vy nahitana, ary ny iray angady nananana.
Samy
manana ny sokajiny ny zava-boahary rehetra koa asaina handinika sy handanjalanja isika
mianakavy amin’ny fitondrantena sy ny fitondran’olona ao anatin’ny
fiaraha-monina ao.
Lafimbato, vato ;
lafinkazo, hazo ; lafinkavana, havana.
Tsy mahasoa ny manome
alahelo ny Havana satria efa voamarina teo amin’ny tantaram-piainan’ny
ankabeazan’ny olona fa noho ilay rohim-pihavanana, nateraky ny rà niraisana sy
ny loharano nipoirana. Tsy mifanary ny mpihavana, raha manana
toetran’olombanona tokoa
Aza ny havana no Asian-dratsy,
fa tsy ho tratry ny hafa tsy akory.