Teny
fiarahabana fony fahiny tamin’ny ny fahampanjaka io. Ampiasaintsika kosa
ankehitriny ho an’ireo izay heverina ho mendri-kaja sy voninahitra eo anivon’ny
fiaraha-monina ary atolotry ny mpitantana sy ny mpiara-miasa rehetra eto amin’ny gazety sy radio feon’Imerina ho
anao mpihaino sy mpamaky, miara-dalana sy tsy mahafoy ny soatoavina. Isika izao no toy ny rano
sy vary, tsy mifanary na an-tsaha na an-tanàna. Arahabaina nahatratra ny taona vaovao
2021. Ho tratry ny taona arivo mitsingerina,
hangidy lavitry ny faty ary ho mamy tian’ny vola anie isika mianakavy.
Efa taona maro nifandimby no nandia fotoan-tsarotra ny
firenentsika. Antenaina fa hitombona kosa amin’ity taona 2021 ity ilay ohampitenenan-drazantsika
manao hoe “Ny hisavorovoroan-kilantoana”. Hiezaka isika mianakavy hampanjaka ny
fahendren-drazana ka hamoha indray ilay herim-panahy ao anatintsika handalana tanteraka ny
fihavanana sy ny firaisankina.
Ary ataontsika fanoitra hampitraka antsika ilay
tenin’ny Ntaolo manao hoe “Ny fositra ve
no tsy ambolem-boavahy?” Alao hery àry
fa ny taon-trano tsy efan’ny irery, ny entan-jarai-mora zaka, ny
hanin-jarai-mora lany ary ny adidy tsy an’olon-dratsy. Manasa anao hanatanteraka ny hafatry ny Ombalahibemaso
izay noraisintsika ho teny faneva eto amin’ny Feon’Imerina manao hoe “Tsy adidiko izaho samirery fa adidiko
izaho sy ianareo”. Raiso ho adidy ny fandrindrana ny fiaraha-monina mba tsy
resy tondro maso eo anatrehan’ny tantara sy ny taranaka fara-mandimby. Ny
taranaka no imatimatesantsika mianakavy ary antony voalohany nitsanganan’ny
mpitantana sy ny mpiara-miasa eto amin’ny Feon’Imerina, niarahany nisalahy
nampahatsiahy ny soatoavina entin’ireo vakoka sy kalon’ny fahiny, nifantenana ny hiran’ny omaly
sy ny ankehitriny mba hampitana hafatra amin’ny solofo dimbin’ny ala sy ho
fampandraisana anjara azy ireo. Ny velona ankehitriny no manao ny tantarany ka
enga anie ny tantara havelantsika ho an’ny taranaka mba tsy handiso fanantenana
azy ireo.
Ento àry ny anjara birikinao hamelomamaso an’I Madagasikara.
Ny fanehoana ny fanahy no olona amin’ny fampanjakana ny marina, ny rariny ary
ny hitsiny. Ny tsy firaisana tsikombakomba amin’izay rehetra mety hampidi-kizo
ny tena sy ny namana satria efa nampianarin’ny fahendrena Malagasy isika mba
hifampitsimbina, hifanaja sy hifampatoky fa izay no tena olom-banona.
Izay no ela fa manantitra ny arahaba
ombam-pirariantsoa, ho lasan’ny taona 2020 ny ratsy rehetra!