Anisan’ny
hitarafana ny fitondrantenan’ny olona ny teny aloaky ny vava.
Ireo
mandray fitenenana imasom-bahoaka dia tokony hisafidy ny voambolana sy ny
hevitra avoakany mba tsy hampikorontana ny fiarahamonina sy tsy
hampihitsam-boninahitra azy.
Amin’ireo
ohabolana na ohampitenenana fampiasa dia maro ireo ohatra noraisina avy amin’ny
biby syny zavamaniry. Misy amin’izy ireny no atao fanoharana tsara ary misy
kosa ireo sokajiana ho mariky ny toetra ratsy sy milaza fanahim-biby.
Fampiasantsika
ohatra ny hoe “nofonkena an-tanan-tsaka” rehefa te hanambara isika fa ny
zavatra efa azontsika ho fananana dia tsy miverina intsony.
Aoka anefa ho tadidiana fa ny saka no
anisan’ny ohatra ratsy indrindra. Manambara isika amin’ny fotoana anoharantsika
ny tenantsika amin’ny saka fa naka tahaka ny fanahimbiby.
Misy
tohiny rahateo io ohatra io manao hoe:
Nofonkena an-tanan-tsaka lasa eny
an-tanan’ny ory.
Raha
mampiasa io isika dia mampitovy tena amin’ny biby ary miharo fandrahonana
rahateo ilay filazana. Alaivo sary
an-tsaina anie ilay saka mahazo hena e, n’iza n’iza sahy misintona an’iny tsy
maintsy ho voakaikitra sy ho voarangotra.
Ny
manam-panahy maheno an’io, tsy maintsy ho malina fatratra. Azo atao ihany ny
maka ilay nofonkena amin’ny fampiasana ny rano ohatra anondrahana ilay saka
satria izay no tsy tiany ka avelany eo
ny rembiny.
Rehefa
mahita fifanandrinana koa isika matetitka dia loa-bolana hoe
Angadimondro sy reniakoho ka izay
mananda no resy.
Tsy ny ady rehetra no azo oharina amin’io. Zavatra anankiroa no ampitahaina eto. Ny angady mondro, izay efa ela niasana ka tsy mba toa ny olombelona hoe arakaraka ny hitomboan’ny taona niainany no hitomboan’ny sainy fa ny fitaovana toy ny angady, mihadombo rehefa nampiasaina ela. Hiavana sisa no azo hampiasana azy. Toy izany koa ny reniakoho, rehefa lany atody ka tsy hamokatra intsony dia amidin’ny tantsaha ho soloina vantony hakana taranaka. Mitovy lenta izy roa nampitahaina ireto, Efa tsy dia sarobidy loatra ho an’ny tompony. Raha atakalo ka misy manindry vola ny iray amin’ny mpanakalo dia resy satria zavatra mitovy vidy no sandaina indray. Ny resy dia ny maty antoka. Tokony ho safidiana tsara arak’izany ny ampiasana ireny karazana ohabolana ireny.
RAMASINIRINA. "Meteza ho olom-pirenena vanona"