Ny hita rehetra tsy mendrika ho vady
tsy
mendrika ho vady
Fa fomban'ny hendry no manadihady
ny
manadihady
Kanefa na inona izay nokasaina
Rehefa tsy anjara misaraka maina.
Adidin'ny tia no maniry ho tiana
ny
maniry ho tiana
Izay no miteraka fanambadiana
ny
fanambadiana
Ny saina mitovy, ny fo tafaray
No mety hifanaraka mandrakizay.
Satria tsy mba fantatra ny ho rafozana
K'aleo re ny haja no ifanakalozana
Arahabarahabao ny mpandalo f'aza iomehezana
Fa ndrao amin'ireny ny taolan-tehezana.
Namorona ny tonony: Ralaitafika
Patrice Samuel
Namorona ny feony : Ramaroson Wilson
Nihira azy voalohany: Gabhy sy
André Titys ary Salomon
Nihira azy taty aoriana: Ny Kintana Telo (Gabhy sy Romule ary Salomon)