Roy e!Lahy e!
Midona malefaka ny any Ankaratra
Manembonembona tsy mitsahatra
Harivariva any an-tanin'olona
Ka ny sentosento no toa mitolona
Mitambolona
Ambanin'io rahona io
Mandainga izay tsy ho manina
Asakasak'izay tsy miraika
Eny ry lahy e!
F'izahay efa dodona maika
Eny re roy e!
F a Iarivo no ankany fodiana
Tsy hadino na oviana na oviana
F'ambanin'io rahona io
Mandainga izay tsy ho manina
Roy e ! Lahy e!
Manerinerika ny any Andringitra
Manjoninjonitra vinibinitra
Tsy tsapa ny lalina sy marivo
Fa maika ho tody amin'ilay Iarivo
Ka tsahivo
Ambanin'io rahona io
Mandainga izay tsy ho manina
Asakasak'izay tsy
miraika
Eny ry lahy e !
F'izahay efa dodona maika
Eny re roy e !
Fa Iarivo no ankany fodiana
Tsy hadino na oviana na oviana
F'ambanin'io rahona io
Mandainga izay tsy ho manina
Mpamorona : Rasamoelina na
Rasamy Gitara
Mpihira : Tropy Jeannette