Anisan’ny fitsipika iray mamehy ny fihavanana ny
firaisankina. Ny razambentsika dia efa
nahatsapa hatrany am-piandohana fa
mifampiankina ny rehetra ao anatin’ny fiaraha-monina ka tokony hifampitsimbina
lalandava. Raha miolonolona tokoa aoa anatin’ny fiaraha-monina ao dia mety
ahatsimbina ny aina amin’ny andavan’androm-piainana fa rehefa avy kosa ny loza
“ny patsa iray tsy omby vava” Raha mahay mifankahazo amin’ny mpiara-belona anefa
mety mba ho maivana ihany izay mahazo ny tena. Hoyindrindra ny ohabolana!:
“Ny firaisankina no fanalam-pahoriana”
Voamarina tokoa eny anivon’ny fiaraka-monina fa raha
misy manjo ny tena, mafy rehefa tsy hotronin’ny
fianakaviana sy ny tapaka sy namana. Satria:
“Ny fahoriana no maivana dia ny firaisana no mbola tsy maito”
Tsy misy tsy mahalala fa ny fiolonolonana dia tsy mampirindra ny fiaraha-monina ary nananatratra antsika mandrakariva ny Ntaolo raha nilaza hoe:
“Aza miefitrefitra toy ny harefo”
Miady amin’ny fiainana sy ny zava-tsarotra tokoa manko ny olona saingy toa tsy mety tafavoaka ary mazana no mihatra aminy ara-bakiteny ilay ohampitenenana manao hoe :
“Mitatatra ho an-drainilezafy”
Satria dia hita mibaribary fa tsy ampy ny fifanampiana amin’ny mpiara-belona ka:
“Miainga ila hoatra ny tainomby voahitsaka”
Avy eo mihamavesatra ny fahasahiranana sy ny fahoriana
ary tena
“Aza tsy tia olona fa ny olona no harena”
Ary:
“Raha samy ho avy ihany ny loza aleo atrehin’olontiana”.