Teny vahiny nogasiana ny hoe martiora,
vavolombelona ny dikany amin’ny tenindrazantsika, ireo izay sahy nijoro
hatramin’ny farany tamin’ny finoany na dia niafara tamin’ny famoizana aina sy
harena ary fianakaviana no antsoina ho « martiora ».
Teo amin’ny finoana
kristiana dia Rasalama no martiora kristiana voalohany, maty nolefonina teny
Ambohipotsy ny 14 Aogositra 1837, 173 taona lasa izay.
Ny Ombalahibemaso dia tsy nanaiky mihitsy ny fidiran’ny fivavahana
kristiana teto Madagasikara, izaho hoy
izy “tsy hivavaka amin’ny razam-bazaha”. Nahatsapa dieny mialoha io mpanjaka
marani-tsaina io fa fomba iray hakana ny tany sy ny fanjakana ny fivavahana.
Rehefa niamboho izy ny taona 1810, Radama I zanany no nandimby azy. Nisokatra
tamin’ny any ivelany izy, ka tafiditra teto ireo misionera anglisy, ary nahazo
faka ny fivavahana kristiana. Mbola mitohy izany tamin’ny fanjakan’ny
Mpanjakavavy Ranavalona I nanomboka ny taona 1828. Ny 21 Jona 1835 dia
voavadika tamin’ny teny Malagasy ny baiboly ary tsy sarotra ny nanely ny
hevitra tao anatiny.
Nanomboka nahatsapa ny fahamarinan’ny hevitry ny mpanjaka
Andrianampoinimerina ny Mpanjakavavy Ranavalona I satria tsinjony fa mizotra
mankany amin’ny fakana ny tany sy ny fanjakana ny fihetsik’ireo misionera, ka
nandray fepetra izy nandroaka azy ireo sy nandrara ny fanarahana ny fivavahana
kristiana ary nanenjika sy nanafay izay mbola miziriziry tamin’izany.
Nisy koa anefa ireo mpikaroka tantara nanambara fa noho i Jean Laborde, teratany
frantsay izay nanolo-tsaina ny mpanjakavavy no nalailay fonosana tamin’ireo
misionera anglisy sady tsy nankasitraka ny finoana protestanta ary te
hampiditra mafy ny finoana katolika eto amintsika, ka nanao izay fomba rehetra
handroahana ireo misionera anglisy.
Noho ny baiboly efa voadika tamin’ny teny Malagasy dia maro tamin’ireo
Malagasy no efa latsa-paka tao am-pony ny finoana kristiana, satria mora ny
mampita hevitra tamin’ny tenindrazana tsy vitsy ireo nifikitra tamin’ny finoana
kristiana, anisan’ireny i Rasalama izay nosamborina sy nogadraina ary
nolefonina teny Ambohipotsy ny 14 Aogositra 1837, izy no martiora Malagasy
novonoina voalohany ary mbola nisy hafa nanaraka azy taty aoriana.
Taty aoriana dia nitsahatra ny fanenjehana ny mpino kristiana. Ny
Mpanjakavavy Ranavalona II aza dia nanapa-kevitra fa ny fivavahana kristiana no
fivavaham-panjakana, nanaiky ho atao batisa izy sy ny Praiministra
Rainilaiarivony ary nampanangana fiangonana tao Anatirova izay notokanana tamin’ny 22 Aprily 1880.
Hatramin’izao dia mbola adi-hevitra be ny mikasika ny namonoana ireo
martiora kristiana maro, betsaka ny manameloka ny Mpanjakavavay Ranavalona I
tamin’izany. Rehefa dinihana anefa ny fizotran’ny tantara dia voaporofo taty
amin’ny taona 1895 fa dia hita porofo fa fitaovana nentiny naka ny tany sy ny
fanjakana tokoa ny fivavahana kristiana. Sokajin’olona maro mihitsy indray no
manome rariny ny fanapaha-kevitra noraisin’ny Mpanjakavavay Ranavalona I.
Ny fiangonana protestanta dia manome lanja ny fahatsiarovana ny nandefonana
an-dRasalama, ny Kolejy protestanta Rasalama etsy Andravoahangy no
tsangambaton’ny fahazato taona nandefonana an-dRasalama. Tamin’ny fankalazana
ny faha 150 taona nandefonana azy ny taona 1987 dia ny sekoly fanomanana
mpitandrina eny Ivato no natao ho tsangambato.
Anisany mafana fo tamin’ny fikarakarana izany Itompokolahy Rakotovao
Razakaboana, ny Pasitera Andriamanjato Richard sy Andriamatoa Ramaromisa
Daniel.
Ny tantaram-pirenena dia natao hakana lesona hiatrehana ny ankehitriny
sy itodihana ny lasa, tsy hanameloka ny efa vita isika fa hahay handinika tsara
satria tsy misy ny tanteraka teto ambonin’ny tany. Ny Mpanjakavavy Ranavalona I
dia saropiaro tamin’ny fiandrianam-panjakana, Rasalama kosa dia nijoro hatrany
tamin’ny finoana kristiana narahiny.
Samy manana ny maha izy azy ireto vehivavy roa ireto.
Raha mamaky ny testamenta taloha isika dia hita ny tantaran’i Estera,
ilay mpanjakavavy izay sady sarotiny amin’ny fivavahana amin’Andriamanitra, no
tsy nanaiky lembenana tamin’ny fitsinjovana ny fireneny sy ny taranany.
Hitantsika ao amin’ny Estera toko faha 8 andininy faha 6
ny toy izao: “Ataoko ahoana ny fijery
ny loza hanjo ny fireneko sy ny fandringanana ny havako”
Hita taratra avy amin’io toko sy andininy fa toetra tsara nananan’ny
mpanjakavavy Ranavalona I sy Rasalama no tao anatin’I Estera mpanjaka, ilaina
ho antsika olom-pirenena ny miaina io teny io.